Nahatonga fihetsiketseham-panoherana sy fahafatesan'olona maro ny fiakaran'ny vidin'ny lasantsy ao Angola

Mpanao fihetsiketsehana mitazona sora-baventy mivaky hoe, ‘Tsy andevo ny vahoaka’ ao Luanda, Angola. Saripika namboarin'i Luaty Beirão, nahazoana alalana.

Nambaran'ny governemantan'i Angola, tamin'ny alàlan'ny minisi-panjakana misahana ny fandrindrana ara-toekarena, Manuel Nunes Júnior, tamin'ny 1 Jona ny fiakaran'ny vidin-tsolika ao amin'ny firenena, taorian'ny fanambaràn'ny governemanta ny hanesorana tsikelikely ny (subvention) fanampim-bidin-dasantsy.

Araka izany, niakatra avy amin'ny 160 kwanzas teo aloha ho 300 kwanzas isaky ny litatra (avy amin'ny 0,26 dolara amerikana ka hatramin'ny 0,49 dolara amerikana) ny vidiny, fa mbola tazonina kosa ny fanampiana ho an'ny sehatry ny fambolena sy ny jono. Tsy miova hatramin’ny faran’ity taona ity kosa ny fanampim-bola ho an’ny vokatra hafa toy ny gazoala, ny etona fandrehitra ary ny solitany.

Raha ny nambaran’ny minisitra, dia omena “subvention” (fanampin-tsarandalana) ny mpamily taxi sy taxi-moto, ka mbola hitohy hatrany, mandritra ny fotoana tsy voafaritra, ny fandoavana 160 kwanzas isaky ny litatra amin’ny lasantsy, ka ny Fanjakana no miantoka ny elanelana. Saingy, tsy mihatra amin'ny mpamily taxi rehetra io fanampiana io, ka ny ampitson'ny nampiharana ny vidi-dasantsy vaovao, tanàna maro any Angola no nifoha hanao fihetsiketsehana.

Ho setrin'izany dia nisy ny tatitra fisian'ny herisetra nataon'ny polisy tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana, mpamily taxi ny ankamaroany. Nisy aza ny iray amin'ireo tati-baovao nilaza fahafatesana nateraky ny bala tena izy avy amin'ny mpitandro ny filaminana ao amin'ny firenena mihitsy. Nisioka ny toe-draharaha i Mwene Vunongue, mpikatroka ara-tsosialy izay nanaraka ny toe-draharaha tao Angola :

Nitombo ny fitokonan’ny mpamily fiarakaretsaka sy ny mpitondra moto tao Lubango.

Tsiahivina fa nisy fihetsiketsehana tao Huambo omaly, namono nahafaty olona 5 ny polisy.

Ny fiakaran’ny vidin-dasantsy sy ny tsy fanomezana karatra maha-mpamily taxi no tena olana.

Nisy tatitra hafa momba ny fihetsiketsehana, anisan'izany ny mpanao gazety sady mpiandraikitra mpikaroky ny Human Rights Watch, Zenaida Machado:

Nitifitra nahafaty olona nanohitra ny vidin-tsolika ny polisy Angoley. Tokony hanao fanadihadiana araka ny tokony ho izy ny fitondram-panjakana sy hitsara (ny amin'ireo) olona namoy ny ainy, mba hisian'ny fepetra hampidirana ny fanajana ny zon'olombelona eo anivon'ny mpitandro ny filaminana.

Ilay mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona, Luaty Beirão, dia nampiseho afisy iray niampanga ny antokon'ny fitondrana ao amin'ny firenena, MPLA, ho tompon'andraikitra voalohany amin'ny fahatezerana tsapa ao amin'ny firenena:

Tahaka ny ahoana ny halalin'ny “lavaka” ao @sonangoloficial ??? @crosado, izay mamakafaka ny isa rehetra navoaka, dia nilaza tamin'ny radio fa tsy azo fantarina izany.

Nisy olom-pirenena hafa nanameloka ny fampiasana bala tena izy, izay fanaon'ny polisy Angoley mandritra ny fihetsiketsehana, araka ny voamarika tao amin'ny Twitter:

Manana anarana izao hoe: Fampihorohoroan'ny Fanjakana. Ny firoson’izy ireo fotsiny, tsikaritra, basy an-tanana sady mitifitra, tsy misy mifampitifitra aminy, dia efa fihoarana ny tsipika mena ataon'ny polisy. Ny olana lehibe dia rehefa tratra an-dalantsara ihany koa ireo “mpampihorohoro” ireo.

Na izany aza, fantatra fa tsy vaovao ny fahatezeran'ny vahoaka, manoloana ny fihetsiketsehan'ny polisy ao Angola, hoy i Zenaida Machado:

Mila atsahatra ny fampiasan'ny manampahefana Angoley hery amin'ny olona mampiasa ny zony hanao fihetsiketsehana. Tokony hiantohan'ny governemanta ny ezaka fandraràna na fandaminana ny varotra an-dalambe ataon'ireo manamboninahitra anaty fanajana ny zon'olombelona.

Tamin'ny 17 Jona, nanao hetsi-panoherana indray ny Angoley, ary toy ny teo aloha, nampiasa angovo sy herisetra ny polisy mba tsy hitohizan'ny diabe.

Tsy nisy antony, nanapa-kevitra ny polisy ny hamoritra ny fihetsiketsehana tsy nahitana fanafintohinana na tranga. Manontany tena ny olona misaina hoe nahoana, saingy mihoatra amin'ny fanjohin-kevitra demaokratika izany.

Mampihomehy, mampalahelo #manif17jun

Niaiky ny polisy Angoley fa nampiasa hery tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tany amin'ny faritanin'i Luanda sy Benguela izay notadiavin'izy ireo hohamarinina tamin'ny filazana fa noho ny tsy fanarahana ny lalana napetraky ny manampahefana no nahatonga izany. Na izany aza, nolavin'ny mpikarakara izany fiampangana izany ary niampanga ny polisy ho nitifitra olona tsy mitam-piadiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.