Fitazonana maharitra mpikatroka iray, niteraka hatezerana tao Angola

Efa nofonjaina hatramin'ny 2021 ilay Angôley mpikatroka Gilson da Silva Moreira. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube Ativista Tanaice Neutro condenado a pena suspensa de um ano e três meses’ notontosain'ny mpanoratra.

Tamin'ny Febroary 2021, tanora mpikatroka iray atao hoe Gilson da Silva Moreira, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Tanaice Neutro, no nosamborina noho ny filazàna azy ho naniratsira ny filoha angôley, João Lourenço, teo amin'ny tambajotra sosialy. Nahitana teny toy ny hoe “jiolahimboto” sy “mahatsikaiky” nanondroana an'i Lourenço ireo faniratsiràna ireo.

Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, voaheloka sazy miantona herintaona sy telo volana i Neutro tamin'ny didim-pitsarana nampahafantarina ny besinimaro tamin'ny Oktobra 2022. Na izany aza, ny olona rehetra fantatra fa meloka amin'ny famotsifotsiana Fanjakana, sy ireo marika maneho azy ary ireo sehatra misy azy – anisan'ireo vesatra niampangàna an'i Neutro – dia matetika takiana hanefa ny saziny any am-ponja.

Rehefa nambara ny didim-pitsarana dia nanao fampakàrana ny  minisiteran'ny Fitsarana. Nilaza ho afa-po tamin'ilay sazy mihantona ny mpisolovava mpiaro ilay mpikatroka, na dia nampalahelo azy aza ny fotoana lanin'i Neutro tany am-ponja – 15 volana.

Iray tamin'ireo fanamarinana naroso mba hamoahana an'i Neutro ivelan'ny fonja ny fiharatsian'ny fahasalamany, satria efa narary izy talohan'ny nandefasana azy tany am-ponja, sy nohon'ny sambany nanaovany heloka – saingy tsy nampiharina velively ity fanapahan-kevitry ny fitsarana ity. Vokatr'izay dia nigadra foana ilay mpikatroka hatramin'ny nisamborana azy tamin'ny taona 2021, ary mitohy miha-ratsy hatrany ny fahasalamany.

Izany no antony nahatonga ny Tambajotra Mpiaro ny zon'olombelona ao Atsimon'i Afrika, tamin'ny alalan'ny filohany, Adriano Nuvunga, handà ny fitazonana tsy ara-drariny ilay Angôley mpikatroka. Ao anatin'ny lahatsary eto ambany, navoaka tamin'ny tambajotra tamin'ny 5 Jona lasa teo dia nalefa ny antso vonjy ho famoahana an'i Tanaice Neutro :

#Angola | Amin'ny maha-SouthernDefenders, am-pahavitrihana no hiraisanay hina sy hitakianay ny famoahana tsy misy hatak'andro sy tsy misy fepetra an'i Tanaice Neutro, mpiaro ny zon'olombelona efa nahavita mihoatra ny 500 andro tany am-ponja tsy ara-drariny.

#JusticeDelayedIsJusticeDenied!@AngolaBriefing @Angolans pic.twitter.com/jlrIS71m5H

— SouthernDefenders (@SAHRDNetwork) 5 Jona 2023

Misy ihany koa ireo fitarainana marobe an-tambajotra hanoherana ny fitazonana ilay Angôley mpikatroka :

Zava-misy ao angola izay mila atsahatra ny fanenjehana ireo mpikatroka sy ireo mpanao fihetsiketsehana ! Efa sazy mihantona 15 volana no vitan'i Tanaice Neutro tany am-ponja, saingy mbola any am-ponja foana ve izy hatramin'izao ? Nahoana ? Tsy fantatra !
Aza mangina @antoniocostapm @amnistiapt

— Cídia Chissungo (@Cidiachissungo) 5 Jona 2023

Tokony atsahatr'ireo manam-pahefana Angôley dieny izao ny herisetra ataon'ny pôlisy amin'ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana! Nahavita sazy 507 andro tany amponja noho ny hetsika nataony ilay mpikatroka Tanaice Neutro ankehitriny. #Freetanaice
Aza mangina @antoniocostapm. @amnistiapt

— Cídia Chissungo (@Cidiachissungo) 5 Jona 2023

Ny Amnesty International ao Pôrtiogaly dia nanararaotra ny fitsidihan'ny Praiminisitr'i Pôrtiogaly, António Costa, tao Angôla, izay natao tamin'ny 5 hatramin'ny 7 Jona, mba hampahafantarana ny toe-draharaha :

Miaraha aminay ary teneno @antoniocostapm hoe ny Zon'Olombelona dia tsy maintsy ampidirina ao anatin'ny fandaharanasa ôfisialin'ny fitsidihanao an'i Angôla!

Jereo ny fomba fanaovana izany any anatin'ireo fanehoankevitra/valiny amin'ity bitsika ity.
pic.twitter.com/BGJOLViRqd

— Amnesty Portugal (@amnistiapt) 5 Jona 2023

Milaza ny tatitra avy amin'ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona fa miha-ratsy ny fahasalaman'i Tanaice Neutro, ka izany no anton'ireo antso marobe ho amin'ny famotsorana azy, mba hisitraka fitsaboana sahaza ivelan'ny fonja.

Nofonjaina nandritra ny 500 andro mahery i Tanaice Neutro, noho ny fikatrohana am-pilaminana fotsiny.
Tena mila fitsaboana maika izy, izay lavin'ireo manam-pahefana tsy homena azy. Miaraha aminay mba hitaky amin'ireo manam-pahefana hamoaka tsy misy hatak'andro sy tsy misy fepetra an'i Tanaice. pic.twitter.com/SRPi13pPoB

— AmnestySouthernAfrica (@AmnestySARO) 2 Jona 2023

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.