Manantantara ny fitorian'ireo Vietnamiana niharan-doza tamin'ny loza an-dranomasina 2016 ny Formosa Plastics Group ao Taiwan

    Valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety iresahana ny ady ara-pitsarana miampita sisintany voalohany ao  Taiwan. Sary: Nikole Nguyen.

Avy amin'ny ekipa Global Voices Lingua Shinoa

Tao anatin'ny hetsika manan-tantara, nametraka fitoriana miampita sisintany tamin'ny vondron'orinasa Taiwaney tompon'antoka tamin'ny fahavoazana ara-tontolo iainana, ny Formosa Plastics Group (FPG) tamin'ny 11 Jona 2019 ireo niharam-boina tamin'ny loza an-dranomasina taona 2016 izay niantraika tamin'ireo vondrom-piarahamonina amorontsiraka tany afovoan'i Vietnam. Raha toa ka mahomby, dia ity no raharaha hanokatra lalana ho an'ny fenitra vaovao mifandraika amin'ny andraikitry ny vondron'orinasa Taiwaney ho an'ny fiarovana ny tontolo iainana any amin'ireo firenena hafa.

Noho ny fanampian'ny fikambanana miaro ny tontolo iainana sy ny zon'olombelona any Taiwan, Vietnam, Etazonia, Frantsa ary Kanada,  notorian‘ireo solontena ara-dalàna avy amin'ireo Vietnamiana mpitory, vondron'olona ahitana ireo niharan-doza miisa 7 775 tamin'ny loza an-dranomasina, ny FPG ary napetraka tao amin'ny fitsarana distrikan'i Taipei tamin'ny 11 jona izany fitoriana izany.

Hita fa loza goavana indrindra ara-tontolo iainana teo amin'ny tantaran'i Vietnam ny loza an-dranomasina, izay nitranga tamin'ny 6 aprily 2016. Niteraka fahafatesana trondro sy aina an-dranomasina marobe tao afovoan'i Vietnam.ny loza, vokatry ny fandefasan'ny sampan'orinasan'ny FPG, Ha Tinh Steel Corporation fako misy poizina tao amin'ny ranomasina.

Niaiky fa tompon'andraikitra tamin'ilay loza ny FPG tamin'ny 30 jona 2016 ary nanaiky hanome onitra 500 tapitrisa dolara amerikana ho an'ny governemanta Vietnamiana hanaovana asa fanavotana tamin'ny loza. Na izany aza, tsy namoaka vaovao momba ny isan'ireo niharam-boina izay efa naharay onitra ny manampahefana Vietnamiana. Ary ho an'ireo izay efa nahazo izany, dia teo amin'ny 2.430 dolara Amerikana ihany isaky ny tokantrano no voarain'izy ireo– vola izay afaka manohana ny fandanian'ny olona iray ihany mandritra ny herintaona, raha ifotorana amin'ny harin-karena faobe isan'olona ao Vietnam. Betsaka ireo mpikambana ao amin'ny vondron'olona voakasika no voatery niasa tany amin'ny tanàna hafa na firenena hafa. Nilaza ireo mpikambana hafa ao amin'ny vondrom-piarahamonina fa tsy mbola nahazo onitra velively.

Niezaka nitondra ny raharaha tany amin'ny fitsarana eo an-toerana any Vietnam ireo niharam-boina saingy nolavina izany ary maro tamin'ireo mpikatroka izay nitatitra  ny fisian'ny fandotoana no voasambotra sy nogadraina. Taminà tranga iray vao haingana, nahazo sazy enin-taona an-tranomaizina ilay mpiompy makamba antsoina hoe Nguyen Ngoc Anh, 39 taona noho ny “fanaovana, fitehirizana, famoahana, ary fandefasana vaovao sy antontan-taratasy hamelezana ny fanjakana.” Iray amin'ireo mpikatroka manohitra ny FPG momba ny loza an-dranomasina taona 2016 i Nguyen.

Nandritra ny telo taona, voaisan'ireo mpisolovava Taiwaney (noho ny fanampian'ny fiangonana kristiana any Vietnam) fa 7 875 ireo mpitory ary voaangona ny porofo hanomanana ity raharahan'ady ara-pitsarana miampita sisintany ity. Na dia noheverina fa mihoatra lavitra ny 7 875 aza ny isan'ireo niharam-boina, dia tsy maintsy apetraka ao anatin'ny telo taona ny raharaha andraikitra sivily aorian'ny fiaiken'ny voampanga ny fisian'ny tandrevaka (ny FPG amin'ity raharaha ity). Tsy maintsy mametraka ny raharaha any amin'ny fitsarana alohan'ny 30 Jona 2019 ireo mpisolovava Taiwaney, raha tian'izy ireo ny fanekena izany. Mangataka amin'ireo mpitsara ireo mpisolovava mba hampihatra ny lalàna sivily sy ny lalànan'ny tontolo iainana ao Vietnam amin'ny raharaha transnasionaly (miampita sisintany), ary mangataka onitra 4 tapitrisa dolara ho an'ireo mpitory.

    Napetrak'ireo Vietnamiana niharam-boina tamin'ny loza an-dranomasina h-fitoriana ny Formosa Plastics Group tany Taiwan Sary: Nikole Nguyen

Ity no raharahan'ady ara-pitsarana voalohany niampita sisintany miompana amin'ny fahavoazana ara-tontolo iainana ao Taiwan. Raha mahomby dia hisy fiantraikany lehibe amin'ny fametrahana fenitra vaovao momba ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny fampiasam-bola eran-tany. Fanjakana ahitana vondron'orinasa iraisan'ny firenena maro (multinational) izay mampiasa vola amin'ny indostria manimba ny tontolo iainana any amin'ireo firenena hafa i Taiwan. Mampiseho indray ny andraikitry ny vondron'orinasa, toy ny FPG, noho ny fahasimban'ny tontolo iainana aterak'ireny firenena hafa ireny ity raharaha ankehitriny ity.

Ny sampan'orinasan'ny FPG, Ha Tinh Steel Corporation, no mpampiasa vola vahiny lehibe indrindra any Vietnam. Na dia taorian'ny loza an-dranomasina aza, dia nanohy ny fanitarana ny fampiasam-bolany amin'ny vy tany Vietnam ny FPG. Tamin'ny volana Mey 2017 no nanomboka niasa ny lafaoron'ny vy an'ny Ha Tinh ary herintaona taty aoriana dia nanomboka niasa ny lafaoro faharoa. Hanomboka hiasa tsy ho ela ny lafaoro fahatelo, araka ny fampitam-baovaon'ny FPG.

Na dia nilaza aza ny Sampandraharaha Mpitantana ny Tontolo Iainana any Vietnam fa naraha-maso tamim-pitandremana ny fandotoana avy amin'ny lafaoro vy ao Ha Tinh taorian'ny loza, dia tsy mbola nisy ny angon-drakitra fanarahamaso navoaka tamin'ny vahoaka. Etsy andaniny, nisy ny tatitra fa nihena be ny indostrian'ny jono teny amin'ireo faritra voakasika taorian'ilay loza an-dranomasina. Tamin'ny taona 2018, nilaza ny tatitra navoakan'ny BBC fa mbola nahitana faty trondro indray  tany Ha Tinh.

Ankoatra ny jono, nisy fiantraikany ratsy tamin'ireo indostria eo an-toerana mifandraika amin'ny sakafo an-dranomasina toy ny trano fisakafoanana sy ny orinasan'ny fanaovana saosy trondro ihany koa izany.

Taorian'ny loza an-dranomasina tamin'ny taona 2016, nilaza Andriamatoa Chou Chun Fan avy ao amin'ny FPG fa tokony hisafidy na hisambotra makamba sy trondro ny Vietnamianina sa hampiantrano indostria maoderina momba ny vy. Na izany aza, rehefa nisafidy ny “trondro sy ny makamba” ny olona ary nanohitra ny milina vy, dia nosamborina sy nogadraina izy ireo.

Ho an'ireo Vietnamiana mpitory, tsy momba ny fanonerana ara-bola ihany ity fitoriana ity, fa resaka rariny, marina, demokrasia sy ny fahalalaham-pitenenana ihany koa. Resaka fifandraisana eo amin'ny olombelona sy ny tontolo iainan'izy ireo izany.

Taorian'ny loza an-dranomasina, betsaka ireo nitroka ny tononkalo nosoratan'ilay poeta tsy matihanina Tran Thi Lam tao Vietnam satria nahakasika ny fon'ireo Vietnamiana marobe izany.

Đất nước mình buồn quá phải không anh
Biển bạc, rừng xanh, cánh đồng lúa biếc
Rừng đã hết và biển thì đang chết
Những con thuyền nằm nhớ sóng khơi xa…

Tena malahelo ny fireneko, sa tsy izany?
Ranomasina volafotsy, ala maitso, tanimbary manga
Lasa ny ala ary maty ny ranomasina
Mahatsiaro ny onja lavitra ny sambo…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.