26 Oktobra 2019

Tantara tamin'ny 26 Oktobra 2019

Manatevin-daharana ny Fitokonana ho an'ny Toetr'andro ny tanora any Japana

  26 Oktobra 2019

Manomboka mandray andraikitra ny vahoaka Japoney. Tanora Japoney mpanao fihetsiketsehana 2 500 teo ho eo no nanao diabe niainga tao amin'ny Oniversiten'ny Firenena Mikambana ao amin'ny lalana Omotesando ao Tokyo ho any amin'ny toerana fiampitana malaza Shibuya, miantsoantso teny filamatra manoloana ireo mpandeha an-tongotra mitazana ary hita mazava fa gaga.

Rosia: Hazo Noely adala ao Vladivostok

Tsy afaka mihitsy amin'ny vazivaziny izay manakana azy ireo amin'ny fahaketrahana maharitra ireo mponin'i Vladivostok, tanàna seranan-tsambo Rosiana lehibe indrindra any amin'ny Ranomasimbe Pasifika. Mihomehy amin'ny zava-drehetra izy ireo, na izany fitohanana mahatsiravina, na filatsahan'ny ranomandry manaitra, ny ravaky ny hazo noely na hetra vaovao amin'ireo fiara Japoney nafarana.