Fihinin'i Amerika Latina amin'ny tacos mavokely sy fakan-tahaka anesoana ary ny fihetsiketsehana i Barbie

Fandravahana avy amin'ny Global Voices mampiseho ‘Barbie tacos’

Avy amin'ny tacos Barbie ka hatramin'ny fiaramanidina Barbie, mijapy amin'ny lamasinina Barbie i Amerika Latina. Nitazona ny laharana fahatelo tany Meksika ilay sarimihetsika, notontosain'i Greta Gerwig ary nilalaovan'i Margot Robbie sy Ryan Gosling,  amin'ny fampisehoana an-tsarimihetsika manerantany tamin'ny nisokafany faran'ny herinandro. Aorian'izany i Brezila ary firenena am-bovonana koa i Arzantina.

Nilalao tamin'ny Barbie ihany koa i América Ferreran, mpiantsehatra Kaliforniana manana fiaviana avy any Honduras, ka manana saribakoly Barbie nalaina tahaka taminy. Nambarany tamin'i Collider fa “ny fahitana fa misy ny sarimihetsika Barbie ary niova ny tantara sy nivelatra mba hampidirana ny maro aminay mba ho hita ao amin'io marika malaza sy tena manan-danja ara-kolontsaina io, tena tsy nampoizina izany fa tsy zavatra nosainiko hatrizay ny hoe anisany koa aho.”

Voalaza fa nihoaran'ny tetibolan'ny dokambarotra sy ny entam-barotra ho an'ny sarimihetsika Barbie ny tetibolan'ny sarimihetsika manokana mitentina $ 150 tapitrisa. Ary ao Amerika Latina, mitsambikina manaraka ny onjan'i Barbie ireo mpivarotra amoron-dalana, orinasa, kandidà ho filoham-pirenena ary mpikatroka ara-politika.

Barbie amin'ny sakafo

Hatrany Meksika ka hatrany Shily, nolokoana mavokely tamin'ny ranona beteravy na fandokoana voatrolombelona izao karazana koba katsaka rehetra izao. Nahasarika mpanjifa tamin'ny tacos mavokely ireo mpivarotra amoron-dalana Meksikana sy Goatemalteka. Nanao toy izany koa ireo mpivarotra Salvadoriana, Venezoeliana ary Shiliana tamin'ny pupusas sy arepas.

Here is an example of the ‘Barbie tacos’, served in Guatemala City: Ity misy ohatra iray amin'ny ‘Barbie tacos’, aroso any Guatemala City:

@dulccini

Barbie Tacos 🤤🤌🏼 en zona 10 uf uf demasiado buenos, vayan con sus besties o sus amorcitos after movie, vale la penaaa #guatemala #barbietaco #tacos #taqueriadelgüero #fyp #parati #foryou

♬ Barbie Girl – Lady Aqua

Tacos Barbie ao amin'ny zone 10 oah oaho tsara loatra, mandehana miaraka amin'ny namanao akaiky indrindra na ny olon-tianao aorian'ny sarimihetsika, mendrika izany!

Manolotra dika manga ‘Ken’ amin'ny pupusas ny fivarotan-tsakafo Salvadoriana Kuskatan any San Salvador:

@kuskatan_sv

Respuesta a @raquelcastro4393 Este #Domingo de #pupusas ven y sumérgete en la magia de la película #Barbie 💅🏻💓 con nuestras pupusas de color Rosa y Celeste💙. 🎀 Te esperamos en #kuskatan para compartir juntos la emoción de este increíble estreno 🤩🔥 ¡Solo por tiempo ilimitado! ¡Ven y vive la magia en cada mordisco! 🤤💝 puedes visitarnos en la Calle Chiltiupan, Ciudad Merliot o en el #MercadoHulaHula 😍🔥 también puedes pedirlas al ☎️2250-3050 😉💕#pupusas #barbiegirl #estreno #nopuedesperdertelo

♬ Barbie Girl – Lady Aqua

Tonga ity pupusas alahady ity ary androboka anao ao anatin'ny majikan'ny sarimihetsika #Barbie amin'ireo pupusas mavokely sy manga tanora. Miandry anao izahay ato amin'ny #kuskatan hizara ny fientanentanana amin'ity premiere tsy mampino ity. Mandritra ny fotoana voafetra ihany! Tongava hiaina ny majikan'ny kaikika rehetra! afaka mitsidika anay ianao ao amin'ny lalana Chiltiupan, Ciudad Merliot na ao amin'ny #MercadoHulaHula ary azonao atao koa ny manafatra azy ireo amin'ny 2250-3050.

Any Santiago, Shily, afaka mahita karazana koban-katsaka matsiro ao an-toerana ihany koa ny olona. Eto, misy mpivarotra manao ‘Barbie arepas':

@picandoarepascl

Nos ponemos en #modobarbie para que puedas venir a comer tu arepa favorita con masa rosada 😌 la masa es de betarraga com semillas de linaza, uma combinación deliciosa y sana ¿te animas? #arepas #arepasenchile #arepadecolores #arepasensantiago

♬ sonido original – Picando Arepas

Miditra ao amin'ny revy Barbie izahay mba hahatonga anao mihinana ny arepa tianao miaraka amin'ny koba mavokely. Ny koba dia vita amin'ny betiravy miaraka amin'ny voandrongonim-bazaha, fangaro matsiro sy mahasalama, vonona ve ianao?

Barbie amin'ny fiaramanidina

Te-hahazo tombony amin'ny lazan'i Barbie koa ireo orinasa lehibebe. Nandoko an'i Margot Robbie ho ‘Barbie’ amin'ny iray amin'ireo fiaramanidiny ny zotram-piaramanidina Meksikana mora sara Volaris. Mampiroborobo ny ‘vehivavy ho Barbie mpanamory‘ ny varotra ataon'izy ireo amin'ny Tiktok .

@maliamillet

#volarismexico #barbie #rosa

♬ sonido original – malia millet

Tsy aritro  😍

Barbie amin'ny fotokevitra ara-tsosialy

Notehafan‘ireo Meksikana feminista, toa an'i Julia Didriksson, izay niala tao amin'ny sinema tamin'ny fahatsapana hoe “namelombelona” ilay sarimihetsika. Nanontany ireo mpitsikera ilay sarimihetsika tao amin'ny TikTok i Carolina Benitez Mendoza, mpikatroka feminista Afro-Kolombiana, raha “nanantena zoro mahery vaika, antikapitalista ary manohitra fanavakavaham-bolon-koditra” avy amin'ilay sarimihetsika izy ireo.

Tany Lima, Però, izay nahitana hetsi-panoherana ny filoha Dina Boluarte mahafaty — ary niampangana ny tafi-panjakana ho nitifitra mahafaty mpanao fihetsiketsehana maherin'ny 60 — nametraka baoritra misy soratra hoe “Barbie Jadona” misolo tena an'i Boluarte ireo mpikatroka. Mitazona basy ilay vehivavy tao anaty baoritra nefa ny mpandalo miteny aminy hoe: “Tifiro, tifiro!”

@daleplaype

Video completo en Youtube: SantoBrasa #parati #fyp #foryou #fypシ #viralperu #viraltiktok #viralperuano #19dejulio #tomadelima #tomadelima🧑‍🎓 #ima #limaperú #peru #peru🇵🇪 #peruana

♬ sonido original – Dale Play

Barbie mpanao didy jadona tamin'ny fihetsiketsehana tao Lima

Ao Meksika koa misy Barbie mpikatroka. Araka ny firaketan'ny Amnesty International dia maherin'ny 110.000 ny olona tsy hita popoka, ka ny ankamaroan'izy ireo dia lasibatry ny fikambanan-jiolahin-drongony na mpaka an-keriny. Raha jerena ny tsi-fahombiazan'ny fikarohana tohanan'ny fanjakana, dia ny vondrona vehivavy mpirotsaka an-tsitrapo no tena mitady ireo olon-tiana nanjavona eny amin'ny lemaka meksikana, mitady fasana miafina. Namorona ny “Barbie Buscadora” (“Barbie Mpitady”) ny iray tamin'izy ireo, Delia Quiroa, rehefa nivoaka ilay sarimihetsika.

Tany Meksika, nisy andiana reny mitady fianakaviana nanjavona namoaka ny Barbie Buscadora-Mpitady- vita akanjo vonona handeha hitady fasana natao an-tsokosoko hitady ny fianakaviany tsy hita izay misy sary voasokitra eo amin'ny akanjony. @DeliaQuiroa no namorona azy.

Hoy i Quiroa tamin'ny mpanao gazety:

Barbie es todo lo que una persona quiere ser, pero ésta es una Barbie que no quiere ser. (…) Ella es lo que nadie quiere. Nadie quiere ser un buscador, nadie quiere estar buscando a un familiar.

Izay rehetra irin'ny olona iray dia Barbie, saingy Barbie tsy te-hisy izany. (…) Tsy misy na iza na iza te-ho toa azy. Tsy misy te ho mpitady, tsy misy te hitady havana.

Barbie amin'ny hatsikana

Nisy olona hafa nitady haneso ny toe-piainana any amin'ny faritra mahantra kokoa any Amerika Latina amin'ny alalan'ny Barbie. Ao anatin'ireo sangisangy tsy tambo isaina tao amin'ny Tiktok, ity no iray amin'ireo malaza indrindra, mitondra ny lohateny hoe, “Raha nanao ny sarimihetsika Barbie taty amin'ny manodidina anay taty ry zareo an.” Asehony ny minibus feno olona, ny olana amin'ny fividianana etona fahandroana sakafo, ny tondra-drano ary ny tsy fandriampahalemana. Ny mozika dia ny hiran'i Aqua Barbie Girl natambatra tamin'ny gadona cumbia.

@harinjose10

Si Hubieran grabado la Pelicula de Barbie en mi Barrio 🥲😂 #barbie #barbielapelicula #latinoamerica

♬ sonido original – Harin

Raha nanao ny sarimihetsika Barbie taty amin'ny manodidina anay taty ry zareo an 😂

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.