Nandresy tamin'ny fifidianana tao El Salvador i Nayib Bukele ka mahazo vahana ao amin'ny kaontinanta ny tsirefesimandidy

Sary avy amin'ny Connectas. Nahazoana alalana.

Nosoratan'i Suhelis Tejero Puntes ity lahatsoratra ity ary navoaka tao amin'ny CONNECTAS tamin'ny 6 Febroary 2024. Naverina navoaka ato amin'ny Global Voices araka ny fiaraha-miasan'ny samy media ny dika nasiam-panitsiana.

Tsy niandry ny vokatra ofisialy i Nayib Bukele tamin'ny alahady 4 febroary hanambaràny ny tenany ho mpandresy amin'ny fifidianana ahafahany mitoetra dimy taona fanampiny eo amin'ny fitondrana. Araka ny filazany, niezinezina ny fandreseny “tamin'ny tahambato maherin'ny 85% sy nahazoany solombavambahoaka 58 farafahakeliny amin'ny toerana 60 misy ao amin'ny Antenimierampirenena”, izay miantoka ihany koa ny fifehezany ny parlemanta. Falifaly ery ny anao lahy nanambara fa “izao no fotoana voalohany hisian’ny antoko tokana ao amin’ny firenena iray ao anaty rafitra demaokratika feno”.

Raha ny tarehimarika eto ampelatananay dia izahay no nandresy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny tahambato maherin’ny 85% sy depiote 58 farafahakeliny amin’ny 60  ao amin’ny Antenimierampirenena. Ny zavabita tsara indrindra amin'ny tantaran'ny demaokrasia manontolo eran'izao tontolo izao. Miandry anao amin'ny 9 ora alina eo anoloan'ny Lapam-pirenena. Andriamanitra hitahy an'i El Salvador.

Vantany vao vita ny fifidianana, nanazava i Bukele nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety fa:

Nosotros no estamos sustituyendo la democracia porque El Salvador jamás tuvo democracia. Esta es la primera vez en la historia que El Salvador tiene democracia, y no lo digo yo, lo dice el pueblo (…) La definición de democracia, la real, no la inventada por las élites, es demos y kratos, el poder del pueblo (…) El pueblo dice ‘queremos un régimen de excepción, queremos la política de seguridad del presidente”.

Tsy manolo ny demaokrasia isika satria tsy nanana demaokrasia mihitsy i El Salvador hatramin'izay. Sambany teo amin'ny tantaran'i El Salvador no manana demaokrasia tena izy, ary tsy noho izaho miteny izany, fa ny vahoaka no niteny (…) Ny famaritana ny demaokrasia, ny tena izy, fa tsy ilay noforonin'ny sangany, dia demos sy kratos, ny fahefan'ny vahoaka (…) Hoy ny vahoaka: ‘Tianay ny fitondrana maningana, ny politikan'ny filaminan'ny filoha.

Ny ampitso, nahery vaika ihany koa ny gazety ankihy El Faro, saingy tamin'ny fanakianana:

La breve, muy breve era democrática en la historia salvadoreña ha terminado ya. Nayib Bukele ha inscrito su nombre en una de las peores tradiciones políticas centroamericanas: la del dictador.

Nifarana sahady ny vanim-potoana demaokratika fohy indrindra amin'ny tantara Salvadoriana.  dia Nampiditra ny anarany tamin'ny iray amin'ireo fomban-drazana ara-politika ratsy indrindra aty Amerika Afovoany i Nayib Bukele: ny an'ny mpanao didijadona.

Nandrafitra ny fa(hafahany ma)ndray anjara indray amin'ny fifidianana filoham-pirenena ity filoha voafidy indray ity tamin'ny taona 2021, rehefa nesorin'ny antoko Nuevas Ideas ireo mpitsara ao amin'ny Fitsaran'ny Lalàmpanorenana ao amin'ny Fitsarana Tampony ary nosoloiny tsy misy fanajana ny paika ara-pitsarana. Nosoniavin'ireo mpitsara ireo avy hatrany ny fifidianana indray ny filoham-pirenena tamin'ny herintaona, na dia voararan'ny lalàmpanorenana aza izany. Nandresy lahatra ireo mpitsara mpiara-dia amin'i Bukele fa tsy mamaly ny filan'ny firenena amin'izao fotoana izao ny lalàmpanorenana ary ny vahoaka ihany no tokony hanapa-kevitra raha hanohy ny filoha na tsia.

Nampiarahana tamin'ny hamehana nampiharina efa ho roa taona, izay mampiato ny sasantsasany iantohan'ny lalàmpanorenana, toy ny fiheverana fa tsy manan-tsiny aloha ny ampangaina sy ny zony hiaro tena ireo tetika ara-pitsarana ireo. Na dia niainga tamin'ny ady amin'ny andian-jiolahy Salvadoriana mahery setra, fantatra amin'ny anarana hoe “maras”, aza izany toe-javatra izany tany am-boalohany dia nilaza ireo fikambanam-piarahamonina nasionaly sy iraisampirenena fa niafara tamin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ny tanana mavesatr'i Bukele.

Fanampin'izany, nanampy tamin'ny fampanginana ny feon'ireo tsy mitovy hevitra amin'ny mpitondra ihany koa ny fanjakana anaty hotakotaka, tamin'ny alalan'ny fanorisorenana, fanenjehana ary fanaovana (ny hevitra tsy mitovy ho) heloka bevava. Nanambara ny fanadihadiana fanaovan-gazety nataon'ny fampahalalam-baovao tsy miankina Malayerba sy Connectas fa, tamin'ny taona 2022, nandray fitarainana iray isaky ny 27 ora avy amin'ny mpiaro ny zon'olombelona na mpanao gazety iharan'ny fanafihana na herisetra ny Dinika sy Tapatapak'ahitra hiarovana ny zon'olombelona.

Fa azo tanterahana amin'ny fomba tsotra tahaka ny ataon'ny filoha Salvadoriana ve ny mamaritra hoe demaokratika sa tsirefesimandidy ny governemanta iray? Tamin'ny herintaona ny Anjerimanontolon'i Gothenburg efa nampitandrina sahady tao amin'ny tatitra iray  fa efa nitsahatra amin'ny maha-demaokrasia azy i El Salvador. Tamin'izany fotoana izany dia zara raha fantatra fa “mpanao didy jadona cool indrindra eran-tany” izy araka ny nambaran'i Bukele tenany tao amin'ny kaonty X (Twitter taloha) rehefa nitady hijanona eo amin'ny fitondrana.

Manasokajy ny governemantan'i El Salvador ho fanjakazakan'olon-tokana ara-pifidianana ity ivotoeram-pampianarana ity, izany hoe rafitra mifantoka amin'ny endrik'i Bukele, izay rehefa avy nandresy ara-dalàna tamin'ny fifidianana voalohany, dia miadidy tsy misy fameperana ara-pitsarana, na dia mahazo ny fanohanan'ny mponina — farafaharatsiny amin'izao fotoana izao — aza.

Takatr'ilay mpanao gazety Salvadoriana Edwin Segura fa tsy misy isalasalana loatra ny maha tsirefesimandidy an'i Bukele, izay mitantana “ny andrimpanjakana rehetra.” Fa mifangarika amin'ny faneken'ny maro an'isa azy anefa izany fomba fitondrana izany. “Hitohy ho tsirefesimandidy sy jadona ny fampiasan'i Bukele ny fahefany, saingy ho sarotra amintsika ny hamaritra azy ho tahaka izany satria nandresy tamin'ny safidim-bahoaka izy tamin'ny fifidianana azy, na dia ambony lalàna aza,” hoy ny nasongadin'i Segura.

Fahafahana mihakely sy fanjavozavoana mihabetsaka

Ho an'i Bukele, ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana sy ny media no roa amin'ireo “fahavalony hita maso indrindra”. Ireo sehatra roa ireo no nanokatra ny takotry ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona nandritra fanjakana anaty hotakotaka, sy ny fifanarahana mampisalasala nifanaovana tamin'ireo andian-jiolahy hampitony an'i El Salvador, izay iray amin'ireo firenena maherisetra sy mampidi-doza indrindra eran-tany nandritra ny taona maro.

Ny gazety El Faro no lasibatry ny fanakianana mafy indrindra, noho ny fanadihadiana vao haingana izay mampiseho ny fomba niraisan'ny governemanta tsikombakomba tamin'ny lehiben'ny andian-jiolahy iray hisamborana indray an'i “Crook”, mpitarika ny Mara Salvatrucha-13 ary navoaka tsy ara-dalàna tamin'ny tapaky ny taona 2022. Nahazo tsindry tsy nisy toa izany ny seha-baovao tamin'ny herintaona hany ka nafindrany manontolo ho any Costa Rica ny fari-pitantanan-draharahany noho ny tahotra valifaty.

Manahy i Gabriel Labrador, mpanao gazety ao amin'ny El Faro, fa manamafy ny fihetsiny anti-demaokratika i Bukele amin'ny firaketana efa voaporofo fanafihana ny gazety sy ny fikambanana sivily, tsy misy mangarahara mihitsy amin'ny fanapahan-kevitra politikam-bahoaka sy amin'ny fanenjehana.

Nandrakitra fanafihana 300 amelezana gazety (sy mpanao gazety) ny Fikambanan'ny mpanao gazety ao El Salvador tamin'ny taona 2023, avo roa heny noho ny taona teo aloha, ary nisy fitarainana 173 nandritra ny androm-pifidianana fotsiny.

@apeselsalvador records 173 attacks against the press during election day in El Salvador dia mirakitra fanafihana 173 tamin'ny mpanao gazety nandritra ny androm-pifidianana tao El Salvador

Amin'ny lafiny iray, mino i Segura fa mbola tsy fantatry ny mponina ny loza tsy demaokratika asehon'ny governemantan'i Bukele. Nasongadiny fa:

La gente no te dice que no hay libertad de expresión, pero cuando les preguntas si se expresan libremente, la mayoría dice que no se atreve.

Tsy hiteny aminao ny olona hoe tsy misy ny fahalalahana maneho hevitra, fa rehefa anontanianao izy ireo hoe malalaka ve izy ireo haneho hevitra dia milaza ny ankamaroany fa tsy sahy.

Demaokrasia mihamalemy ao Amerika Latina

Mazoto ny Salvadoriana hifidy indray olona tahaka an'i Bukele, izay tsy niraharaha lalàmpanorenana sy andrimpanjakana. Inona no asehon’izany momba ny toetry ny demokrasia any amin’ny faritra?

Voalohany indrindra, tena miharihary fa mahazo ny fitiavam-bahoaka ambony indrindra ny filoha antidemaokratika toa ny an'i El Salvador eo amin'ny naoty azon'ireo mpitarika ao Amerika Latina, mahazo fanohanana efa ho 90 isanjato, araka ny filazan'ny orinasa mpanoro hevitra Gallup, zava-misy izay toa manasongadina ny fahambanian'ny fahafaham-po azo amin'ny demokrasia misy any Amerika Latina.

Afa-mieritreritra ihany hoe iza ny mpitarika eto ambonin'ny tany tiana indrindra?

Mahagaga fa avy any Amerika Latina izy.

Ity misy ↓ bebe kokoa

Tao amin'ny tatitra nataony tamin'ny taona 2023, ny Latinobarómetro, fanadihadiana ny hevi-bahoaka izay manatanteraka antsafa manodidina ny 20.000 isan-taona any amin'ny firenena 18 ao Amerika Latina, nanamarika ny fiharatsiana tsy an-kiato eo amin'ny demaokrasia sy, ny ratsy kokoa, “fitomboan'ny tsy firaharahiana izay endrika fitondrana, ny fironana sy ny fisaina manohana ny fitondrana tsirefesimandidy, ny firodanan’ny zavabitan'ny fitondrana sy ny endriky ny antoko politika.” Nahariharin'ny fanadihadiana fa “ao anaty toe-javatra sarotra ny demaokrasia any amin'ny firenena maro, ary tsy manana demaokrasia intsony kosa ny hafa.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.