Mila fanampiana hamadihana ho asa mivaingana ireo vokatra entin'ny Kaonferansan'ny Firenena Mikambana COP21 momba ny Fiovàn'ny Toetrandro

 (Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2015)

Capture d’écran 2015-06-25 à 00.04.37

Ny fangon'ny Place To Be – natolotr'i Anne-Sophie Novel am-pitiavana ary nahazoana alàlana

Taona iray manandanja manokana eo amin'ny lafiny toetrandro eto amin'ny planetantsika ny taona 2015. Ho tonga hatrany amin'ny fivoriana faha 21 amin'ny Conférence des Parties à la Convention-cadre des Nations Unies, na ny  COP21 mikasika ny fiovan'ny toetrandro  izy io, izay hatao ny 30 novambra hatramin'ny 11 desambra ao Parisy. Hivory hiaraka avokoa ireo diplômaty erantany mba hiady hevitra momba ireo politika ankapobeny, ary ezahan'i Frantsa ny hanao izay hahombiazan'ny hetsika.

Ireo hetsika ataon'ny fiarahamonim-pirenena, ary koa ireo mpanao gazety sy ireo blaogera, izy ireo ihany koa dia ho tafiditra ao anatin'ny faitra fiaingàna mba hanatanteraka izay rehetra hitan'izy ireo ho ady farany na dingana voalohany ho an'ny fahaveloman'ny planetantsika, sahala amin'ny raikipohin'ny blaogera frantsay iray Jack Tenin teo amin'ny Club Mediapart.

Maniry ny handray anjara mavitrika amin'ny adihevitra miaraka amin'ireo fiarahamonim-pirenena ary efa ao Parisy ve ianao, sa vonona ny ho avy any mandritra ny fivoriana? Miandry anao ny toerana iray vaovao fanamboarana media vaovao, miaraka amina toeram-piasana iray iarahana miasa, afaka manome toerana ipetrapetrahana amina sarany mirary, hatramin'ny fidirana mankany Bourget, toeram-pivoriana.

Eo andalam-pamoronana izay toerana izay indrindra i Anne-Sophie Novel, ilay mpahay ara-toekarena, mpahaty momba ny tontolo  iainana, mpanao gazety sady blaogera, toerana antsoin'ny ekipany hoe “Place to B“. Omeny amin'ny antsipirihany ao anatin'ity lahatsary ity ny tetikasa [zana-dohateny frantsay]:

Tanjon'ilay tetikasa ny famokarana fitantarana isankarazany momba ny fiovàn'ny toetrandro, amin'ny:

  • FANDINIHANA asa famoronana ratsy amin'izao vanim-potoanantsika izao mikasika ny lohahevitra iresahana ny toetrandro sy ny faharetana, miaraka amin'ireo artista, mpanao gazety, siantifika, blaogera, hackers, poety…
  • FANEHOANA HEVITRA amin'ireo vaovao sy ireo adihevitra mitranga mandritra ny COP21.
  • FIARAHANA MAMOKATRA ireo fitaovana sy fomba vaovao mba hamadihana ho tsara ny fitantarana manodidina ny “toetrandro”.
  • FAMPIRAISANA MONINA ireo 600 mpitantara avy amin'ny lafivalon'ny planeta manga ary mamorona ireo fifandraisana vaovao.
    Trano fandraisam-bahiny iray ho an'ny tanora, ny St Christopher Inn, miorina eo akaikin'ny Gara Avaratra, misy toeram-pisotroana ao ambany rihana, ny Belushi’s, dia ho atokana manontolo hampiantranoana ilay tetikasa ‘Place to B ‘ mandritra ny faharetan'ny COP21.

Atao eto ny fisoratana anarana amin'ny Place to B. Mety hifanena mihitsy aza ianao amin'ireo lehilahy sy vehivavy mpandray anjara ao amin'ny Global Voices mandritra ireo andro hafakely ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.