Obama tany Afrika 2009

US President Barack Obama addresses the Ghanaian Parliament in Accra (Official Photo)

Ny filoha Amerikana Barack Obama niresaka tamin'ny Parlemanta Ghaneana tao Accra (Sary ofisialy)

Niteraka adihevitra manerana ny tontolon'ny bilaogy Afrikana sy tamin'ireo sehatra fifanakalozan-kevitra an-tserasera ny fitsidihana ofisialy voalohany nataon'ny filoha Barack Obama tany Afrika Atsimon'i Sahara tamin'ny volana Jolay 2009. Nikabary tao amin'ny parlemantan'i Ghana izy ny 11 Jolay ary niteraka adihevitra betsaka izany .

Nanasongadina ny sasantsasany tamin'ireo resadresaka sy ny fisaintsainana lalina ary fahadisoam-panantenana teo amin'ny fifandraisana Amerikana-Afrikana ihany koa ireo bilaogera Global Voices. Ny lovan'i Obama any Afrika amin'ny maha zanaka Kenyana azy no matetika no lopy itsarana ny fanamarihany.

Ny lahatsoratry ny Global Voices momba an'i Obama tany Ghana

13 Jolay – Congo: Nandiso fanantenana ny kabarin'i Obama tany Ghana
13 Jolay- Kamerona: Bilaogera niadihevitra momba ny kabarin'i Obama tany Ghana
12 Jolay- Ghana: Maneho hevitra momba ny kabarin'i Obama ireo bilaogera
10 Jolay- Afrika: Nampiasa ny tambajotra sosialy i Obama mba hiresahana amin'ny Afrikana
05 Jona – Ghana: Fanombantombanana, fientanentanana ary fanantenana tamin'ny fitsidihan'i Obama
15 Jona – Ghana: Nivoaka ny fanantenana sy fahatsoram-po tany Ghana taorian'ny fitsidihan'i Obama
15 Jona – Ghana: Adihevitra manerantany momba ny fitsidihan'i Obama an'i Ghana

Loharanom-baovao hafa

Ny lahatsoratra feno tamin'ny kabarin'i Obama tao Ghana (na rakipeo ).

Kabarin'i Obama tao Ghana amin'ny teny swahili .

Nanao antsafa niaraka tamin'ny filoha tao amin'ny Trano Fotsy talohan'ny diany ny AllAfrica.com .


Tsindrio eto ho an'ny fizarana faharoa amin'ny lahatsary ity.

Nanao ezaka manokana ny Trano Fotsy mba hifandraisana tamin'ny alàlan'ny SMS, onjam-peo, fandefasana sary mivantana amin'ny aterineto ary ny fifanakalozan-kevitra an-tserasera amin'ny olom-pirenena tao Afrika nandritra ny fitsidihan'ny filoha.

Nanoratra momba ny fanontaniana avy amin'ny Afrikana ho an'i Barack Obama i Rafiki Kenya : “Nandritra izany fotoana izany, nizara sarintany ifarimbonana ny Trano Fotsy … Misy fanontaniana manan-danja mikasika ny fisian'ny kolikoly.”

Nanasongadina ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny bilaogy Afrikana ihany koa ny bilaogin'ny governemanta Amerikana ao amin'ny America.gov antsoina hoe By the People  taloha sy taorian'ny fitsidihan'ny filoha tao Ghana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.