Fitsipika mifehy ny famoaham-baovao Global Voices

Novolavolaina sy natolotry ny Vondrom-piarahamonina Global Voices tamin'ny 5 Aogositra 2013 ity fitsipika ity

  • Ataovy marina araka izay azo atao.
  • Mamantatra ireo loharanom-baovao rehefa azo atao. Manan-jo hahazo vaovao betsaka araka izao azo atao ao amin'ny loharanom-baovaontsika ny mpamaky..
  • Miaiky izay fahadisoana ary manitsy izany haingana.
  • Fadiana tanteraka ny mandika ny sanganasan'ny hafa.
  • Manaja ny soatoavina GV. 1
    • Misoroka ny hevi-draikitra ara-pirazanana, ny maha lahy sy vavy, taona, finoana, foko, jeografia, fironana ara-pananahana, fahasembanana, endrika ara-batana na sata sosialy.
    • Mamantatra ny marika omenao ny tsirairay, ny olona sy ny vondrona. Manontany ny teny, ny anarana, ny sary na ny fomba fanao ampiasaina amin'ny media hafa na ampiasain'ny governemanta – ireo famantarana mifanaraka amin'ny fitsipika sy ny soatoavina mifehy antsika ihany no ampiasaina.
    • Manangana fiarahamonina ary mandrisika resadresaka mahasoa amin'ny alalan'ny fitateram-baovao ataontsika.
  • Miala amin'ny ady tombontsoa tena misy na hita fa misy.
    • Mampanjaka ny mangaraharaha ary mamoaka ireo fifandirana tsy azo ihodivirana.
    • Manavaka ny fanandrata-teny sy ny fitateram-baovao. Tokony omena anarana ny fanadihadiana sy ny fanehoan-kevitra fa tsy mampiseho zava-misy na toe-javatra amin'ny fomba diso. 2
    • Manavaka ireo vaovao amin'ny fitaovana fampiroboroboana. Aza manafangaro azy roa.
    • Mampanjaka ny fahamarinana, aza mandiso velively ny habe, ny maha-zava-dehibe na ny lazan'ny fandraisana andraikitra misy anao.
  • Manakely araka izay azo atao ny fanohinana ateraky ny fitateram-baovao ataonao.
    • Mampiasa fandanjalanjana manokana rehefa miresaka momba ny ankizy na sarin'ankizy. 3
    • Mandiniha lalina amin'ny fanomezana anarana ireo olona ahiahiana amin'ny heloka bevava alohan'ny fanambarana ofisialy ny fiampangana.
    • Fantaro fa ny fanangonana sy ny fanaovana tati-baovao dia mety hitera-doza amin'ireo lohahevitra sy loharano sasany. Mampisehoa fangoraham-po sy andraikitra ho an'ireo izay mety hiharan'ny (amin'ny fomba ratsy) tatitra ataonao. Mametraha fiarovana ho an'ny loharanom-baovao sy ny lohahevitra eo ambonin'ny fiheverana hafa, hevero ny tsy hanonona anarana rehefa miahiahy ianao fa mety hitera-doza ny famoahana ny mombamomba azy ireo.
    • Tandremo ny mikendry ireo tanora ahiahiana na niharan'ny herisetra ara-nofo. Fantaro fa tsy ara-dalàna any amin'ny firenena sasany ny mikendry sy manonona anarana ireo tanora ahiahiana na lasibatry ny herisetra ara-nofo.
    • Aoka ho tompon'andraikitra rehefa mitatitra vaovao momba ny famonoan-tena.4
    • Fantaro fa matahotra noho ny finoany ny olona ary mety henjehana noho ny finoany na ny fomba fiaina any amin'ny faritra sasany amin'izao tontolo izao. Mitandrema amin'ny fiteninao izay mamaritra ny fifandraisan'ny olona amin'ny rafi-pinoana, fivavahana, politika na hafa eo amin'izy ireo.

Mino ny fahalalahana miteny, ary amin'ny fampitaovana ny hantsana manasaraka ny olona.
Ny fandrakofana ny Global Voices Advocacy dia takatra fa “marihitra” ho tatitra mifototra amin'ny tatitra izay manome alalana ny fiarovana ny zon'olombelona an-tserasera.
Vakio ny torolàlana nomen'i UNICEF momba ny fitaterana ankizy.
Ampidirinay ao amin'ny tantara GV izay mamono tena izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.