Efa misy ankehitriny ny Lingua vaovao Nubian!

Miarahaba ry izao tontolo izao! Efa misy ankehitriny ny Lingua Nubian! Tsy maintsy milaza aho fa nofinofiko hatramin'ny naha-mpitantana ny Lingua ahy ny hanana ny Nubian eo amin'ny fitenintsika. Misaotra anao, Momen Talosh, noho ny fahavononanao hanara-maso ny fanombohana ny tetikasa!

Momen, izay monina ao Alexandria, no mpanorina ny fampiharana “Nubi“, fampiharana finday voalohany liana amin'ny lovan'ny Nubian ary ny fampianarana ny fiteny Nubiana amin'ny fiteniny roa (Kenzi sy Fadicca) mampiasa ny fitaovana teknolojia ampiasaina ankehitriny manerantany. Jereo ato ny momba azy!

Mitady mpandika teny sy tonian-dahatsoratra an-tsitrapo izahay mba hanampy amin'ny fandikana sy ny fitantanana ny tranonkala!

Zarazarao azafady! Ary raha liana ianao, fenoy ity fangatahana ity ary hamaly anao izahay!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.