Amin'ny anaran'ny ekipan'ny Onjam-peo GV , faly izahay manambara ny fanombohan'ny Onjam-peo GV (tsikelikely) ary tianay ho fantatra ny fanehoan-kevitrao momba izay renao.
Ahoana ny fomba hihainoana izany?
Azonao ampiasaina ny bokotra etsy ambony mba hihainoana izany mivantana na hampidira ny URL ao amin'ny onjam-peo an-tserasera izay nosafidinao:
http://gvoices.out.airtime.
- Tokony handeha amin'ny ankamaroan'ny fitety ny URL, anisan'izany ny finday.
- Azonao atao ny mampiditra ny URL ao amin'ny iTunes amin'ny alàlan'ny fampiasana ny File > Open Stream.
- Raha manana fampiasa toy ny TuneIn Radio ianao dia ataovy dika-petaka fotsiny ity url ity ary tehirizo ao amin'ny sokajy “favoris” izany 😉
Songadina:
- Ny fandaharana vokarin'ny GV (GV Rakipeo, GV Rakipeo amin'ny teny Portiogey sy GV Face)
- Ny mpanohana ny Rakipeo (Radio Ambulante avy any Amerika Latina, Pinarra Aku avy any Australia, Jamaat ul Mausiqui avy any Pakistana, Papuan Voices avy any Papoazia Andrefana)
- Ny votoaty noforonin'ny vondrom-piarahamonina (Africa Cheza avy amin'i James Propa sy Bloque Radial de los Oprimidos avy amin'i David Escalante).
- Ilaintsika ny maka antoka fa misy ny fandaharana mandritra ny 24 ora isan'andro amin'ny maha-vondrom-piarahamonina manerantany antsika. Hanombohana izany, hamerina in-telo isan'andro ity fizarana maharitra 8 ora ity isika amin'ny 12:00 maraina, 8:00 maraina, ary 4:00 hariva UTC.