Abidjan Blog Camps

Jereo amin'ny sarintany lehibe kokoa Abidjan Blog Camps

Teny fampidirana:

logoretenu-copie3

Iray amin'ireo bilaogera malaza hatry ny ela ao Afrika mpiteny Frantsay i Théophile Kouamouo. Monina ao Abidjan, Côte d'Ivoire, iray amin'ireo mpanorina Tambajotran'ny Bilaogy Ivoiriana i Kouamouo ary namerina nandefa indray ny sary-sy-soratra nahomby hoe ” Fa maninona aho no mibilaogy momba an'i Afrika“. (Namintina ireo valinteny maro azo tao amin'ny andiana lahatsoratra mizara roa ao amin'ny Global Voices i Elia Varela.) Mikasa ny hamory ny mpiray tanindrazana aminy ho eo amin'ny tontolon'ny bilaogy i Kouamouo amin'ny alalan'ny fikarakarana andiana ” blog camps” manodidina ny Abidjan, ka ahafahanireo bilaogera Ivoariana amin'izao fotoana mba iresaka ireo lohahevitra mahakasika azy ireo ary hampiseho an'ireo bilaogera vaovao ny fomba ahafahana manatevin-daharana.

Mbola nanolotra ny heviny tao amin'ny bilaoginy aloha i Kouamouo tamin'ny aogositra tamin'ny herintaona, izay nahasarika fanehoan-kevitra mafana fo betsaka. Manana tantara lava amin'ny fisintonana olom-pirenena vaovao ho ao amin'ny tambajotra iombonana ireo Blog Camps. Maro amin'ireo Blog Camps no natao tany India, indrindra tany Chennai tamin'ny taona 2006 ary, vao haingana tany Mumbai. Nahasarika mpandray anjara betsaka vaovao ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Rosiana ny Blogcamp CEE tamin'ny volana oktobra 2008. Na izany aza, tavela lavitry ny tontolon'ny bilaogy manerantany i Afrika  Andrefana ( indrindra any Afrika Andrefana miteny frantsay). Nanomboka niova anefa izany. Nanambara ireo mpandresy amin'ny Loka Waxal famahanam-bilaogy an'i Afrika ny Panos West, izay miara-miasa amin'ny Highway Africa sy Global Voices. Amin'ny herintaona, betsaka amin'ireo Ivoariana no ho tafiditra anaty lisitra araka ny fanomanan'i Théophile Kouamouo ireo andian-danonana ampolony raha tsy an-jatony ho ao amin'ny tontolon'ny Bilaogy. Hampiroborobo ny fifandraisana misy eo amin'ny serasera afrikana amin'ny alàlan'ny fifandraisana amin'ny hetsika blog camp any Madagasikara, Kenya, Oganda, Maorisy ary Afrika Atsimo koa ny Abidjan Blog Camps.

Hafatra farany momba ny Abidjan Blog Camps

Torohay:

Blaogy Mpandray anjara:

Ho avy tsy ho ela!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.