Tantaran-tsakafo avy any Naplozy (Palestina)


hijery an'i Naplozy anaty sarintany lehibe kokoa

Ao afovoan'ilay Tanana Fahagola Naplozy ao Palestina, nanokatra ny varavarany tamin'ny ririnina 2011 ny ivontoerana iray natokana ho an'ny vehivavy, antsoina hoe Bait al Karama, teraka avy amin'ny fiarahamiasa tokana teo amin'i Fatima Kadoumy, solontena ao an-toerana avy amin'ny fiarahamientam-behivavy mpanao asa soa Fatima Kadoumy sy ilay mpahaikanto natao hojeren'ny maso Beatrice Catanzaroto. Manome fahafahana ara-kolontsaina sy taokanto ho an'ireo vehivavy ao an-toerana ilay ivontoerana, dia ireo izay monina ao anatiny sy ny tanàna manodidina akaiky. Na izany aza, ny ifantohany voalohany indrindra dia ny hanomezana fahafahana amin'ny resaka orinasa sosialy mikarakara sakafo. Iray amin'ireo ho singa goavana dia ny famoronana sekoly fianarana mahandro ho an'ireo vahiny mpitsidika, hampiasa ireo vehivavy eo an-toerana ho toy ny ‘sefo’ sy ‘mpampianatra’.

Ny antony mahatonga ny sakafo hitàna toerana iray lehibe ao anatin'ilay ivontoerana dia satria ny ankamaroan'ny zavatra atao amin'ny fiainana andavanandro ao Palestina dia mihodidina ny sakafo avokoa, mitondra mankany amina fifankatiavana lehibe kokoa eo amin'ny samy mponina. Araka ny nosoratan'i Catanzaro ao anatin'ny firotsahany  “Maneho toerana iray manana ny lanjany amin'ny fiainan'ireo vehivavy Palestiniàna sy ny fiainana sosialy amin'ny endriny manontolo ny fifankahazoana, na dia amin'ny fotoana isian'ny daroka baomba sy ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina aza.” Maro amin'ireo vehivavy manan-draharaha ao amin'ny ivontoerana no efa niaina ny zavamisy toy ny fahirano, ara-toekarena na ny fibodoana. Mananontena ny sasany amin'ireo vehivavy, niharan'ny herisetra an-tokatrano ny hafa, na any am-ponja ny vadin'ny sasany. Saingy tamin'ny alàlan'ny fifamatorany akaiky tamin'ny Bait al Karama, vitan'ireo vehivavy ny nandray anjara misimisy kokoa tamin'ny famoronana hoavy tsaratsara kokoa ho azy ireo sy ho an'ny fianakaviany

Tamin'ny fampiasàna ny sakafo ho toy ny teboka iaingàna, katsahan'ilay tetikasa ny hampianatra an'ireo vehivavy ny fomba fampiasàna ny median'olontsotra hitahirizana antontan-kevitra sy rakitra manokan'ny tena ary tantaram-pianakaviana momba izay niandohana sy ny fombandrazana amin'ny resaka hainahandro. Ireny fitantaràna ireny dia hanokatra varavarankely manana ny toerany mba hisian'ny fahatakarana tsaratsara kokoa ny fiainan'ireny vehivavy ireny sy ny an'ny fianakavian-dry zareo amin'ny alàlan'ny teny avy any amin-dry zareo manokana. Ho ampidirina tanteraka ao anatin'ny bilaogin'ny Bait al Karama ireo sary sy tantara. Ampian'i Catanazaro hoe, “hahatsiahy ireo fahatsiarovana manokan'ny tenany sy ny fianakaviany ireo vehivavy ary hanome sarina kolontsaina iray sy fombandrazana mihoatra lavitra noho izay fomba fijery nahazatra hoe firenen'ny fifandonana.”

Torohay:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.