Manohitra ny amin'izao fotoana izao

Omaha Reservation – Macy sy Walthill, Nebraska, USA – nanjohy ny Rising Voices tamin'ny 2014

omahamentorsAmin'ireo 5.000 mpikambana amin'ny foko Umoⁿhoⁿ  monina ao anatin'ny vondrom-piarahamonina anatin'ny faritra ambanivohitra arovana ao Nebraska atsinanana, latsaky ny folo no isan'ireo sisa miteny tsy miambakavaka an'io fiteny io. Na izany aza, misy fahalinana mitombo be avy amin'ireo tanora liana ny haka indray ny fifehezana ny fiteny sy ny kolontsaina nozarain'ireo zokiolony. Omen'ity tetikasa ity araka izay tratra ny fampiasàna ny median'olontsotra sy ny tambajotra sosialy ary amporisihany ireo tanora amin'ny alàlan'ireo fanofanana famoronana lahatsary fohy izay mampianatra ny fomba fiteny mahazatra, fehezantany fampiasa andavanandro hahafahan-dry zareo manohy mitrandraka ity tenim-bazimba teratany efa tandindonin-doza ity.

Ohatra vitsivitsy:

Vavaka: Wakonda, Misaotra anao noho ity andro tsara ity.

Fiarahabàna: Fiarahaban'ny vehivavy ny lehilahy.

Araho ao amin'ny tranonkala ry zareo:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.