Tantara tamin'ny 17 Mey 2019
Nalaina an-keriny ilay bilaogera Syriana Roukana

Vaovao farany: Naharay antso avy amin'i Rokana Hamour izahay ny alina lasa teo (26 Oktobra). Salama izy. Nohadihadian'ny sampan-draharahan'ny fiarovana Syriana momba ny fanehoan-kevitra nataony tao amin'ny bilaoginy izy. Navotsotra i Rokana ora telo taty aoriana.
Mahatsiaro ny faha-30 taonan'ny vonoan'olona 4 Jona tany Beijing ny tetikasan'ny fampitam-baovao ao Hong Kong
"Navadika ny zava-misy [...] Tsy misy mpanao gazety tokony hamela izany hitranga. Tsy hamerina hitantara ny voina ihany izy ireo fa hilaza ny tsikariny taorian'ny fandinihana momba izany ihany koa. Izany no adidin'ny vavolombelona tsirairay tamin'ny tantara."
Fantaro i Roy Boney, Mitantana ny kaonty Twitter @NativeLangsTech mandritra ny herinandron'ny 16-22 mey 2019

Andao hojerentsika ny momba an'i Roy Boney avy ao amin'ny firenena Cherokee, hitantana ny kaonty Twitter @NativeLangsTech mandritra ny herinandron'ny 16-22 mey 2019. Hozarainy amintsika ny fomba fijeriny ny fiteny Cherokee.
Fantaro i Siya Masuku, hampiatrano ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang mandritra ny herinandron'ny 15 – 21 mey 2019

Andao hofantarina bebe kokoa ny momba an'i Siya Masuku, mampiatrano ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang mandritra ny herinandron'ny 15-21 mey 2019. Hozarainy amintsika ny fomba fijeriny ny fiteny isiZulu.
Kenya: Misaotra an'i Annan sy ny ekipa fa hilamina ny firenena
Faly sy nandihy ireo Kenyana satria nanatri-maso ny mpitarika ny mpanohitra Raila Odinga sy ny filoha Mwai Kibaki manasonia fifanarahana fifampizarana fahefana tao Nairobi.
Konferansa Advox: Andrey Abozau miresaka ny toe-draharaha Belarosiana

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Jona 2008) Resadresaka nifanaovana nandritra ny Vovonana Global Voices tamin'ny taona 2008 “Mankany amin'ny tambajotra miady amin'ny sivana manerantany” tamin'ny 27 Jona 2008 | Jereo |...