Maraoka: Mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona nogadraina noho ny fanevatevana

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

 Chakib Al Khayari

Nohelohina higadra telo taona an-tranomaizina ny mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona iray nanakiana ny politikan'ny rongony Maraokana. Nantsoin'ny Human Rights Watch ho “fampahatsiahivana manaitra tamin'ny fandrosoana mihisatra sy tsy ara-dalana momba ny zon'olombelona ao Maraoka” ity  fanamelohana an'i Chakib Al Khayari ity. Araka ny Filohan'ny Fikambanana mpandala ny Zon'Olombelona ao Rif dia efa ela i Al Khayari no nanohitra an'ilay voalaza fa firaisana tsikombakomban'ny governemanta tamin'ny fivarotana zava-mahadomelina, izay nahitana ny zava-mahadomelina naondrana an-tsokosoko avy any avaratr'i Maraoka mankany Eoropa sy any ivelany. Olona maro tao amin'ny faritr'i Rif any Maraoka no efa ela no nivelona tamin'ny fambolena kif, na rongony. Niezaka nanafongotra ny zava-mahadomelina tao amin'ny firenena i Maraoka (ampahany amin'ny fankatoavana ny fangatahan'ny Vondrona Eoraopeana), na izany aza, anefa dia niova ny adihevitra mba hampidirana ny fambolena rongony ho an'ny tanjona tsy ampiasana zava-mahadomelina ary mety hitranga noho izany ihany koa ny tsy fahamelohana (Tsara homarihina fa Maraokana vitsy monja no voaheloka noho ny raharaha madinika na dia ny vahiny aza no matetika atao ohatra).

Voampanga ho “nanevateva tanteraka ny andrim-panjakana” i Al Khayari, ary nanitsakitsaka ny fitsipika mifehy ny kaontin'ny banky vahiny sy ny vola vahiny.

Nisy ny fanentanana natao ho an'i Al Khayari, tao amin'ny kaonty Twitter (@freechakib) izay mitantara amin'ny antsipirihany ny ezaka nataon'ny mpikatroka ho amin'ny famotsorana an'i Chakib, ny lahatsary tao amin'ny YouTube, ary ny tranonkala amin'ny teny Arabo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.