Gazetiboky antserasera iray ao Emirà Arabo Mitambatra nodidiana hikatona

(Lahatsoratra teny Anglisy efa nivoaka tamin'ny volana Janoary 2010)

Nahazo baiko hitakatona ny Hetta, gazetiboky an-tserasera Emirà Arabo Mitambatra rehefa resy tamin'ny raharaha nanenjehan'ny orinasa Media Abu Dhabi azy. Nahazo sazy handoa onitra 5500 dolara Amerikana ihany koa ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra, Ahmad Mohammed Bin Gharib ao amin'ny e-gazetiboky izay gazetiboky antserasera voalohany nivoaka tamin'ny taona 1996

Araka ny filazan'ny tranonkala momba ny Hetsika Zon'Olombelona Arabo, dia avy amin'ny fitoriana napetraky ny Orinasa Media Abu Dhabi tamin'ny gazetiboky momba ny fanehoan-kevitry ny mpiserasera iray tamin'ny lahatsoratra navoaka tao amin'ny tranonkala ity raharaha ity,

The case is based on an article published by the magazine in its issue No. 55 on May 4, 2009, under the title “Abu Dhabi TV: Emirate TV only in name”; http://www.hetta.com/new/news.php?do=view_subject&id=&ids=78 by the writer Enas Borini. The article criticized the way the Emirate TV channels are being administrated. The article did not exceed the permitted criticism, but the chairman of Abu Dhabi Media considered comments on the article “defaming him” and filed a complaint to the General Prosecution, which in turn decided to refer the case under number 8585 for the year 2009 to the Court on June 14, 2009.

Noho ny lahatsoratra navoakan'ny gazetiboky tamin'ny fanontany laharana faha-55 tamin'ny 4 Mey 2009, tamin'ny lohateny hoe “Abu Dhabi TV: ny fahitalavitra Emiraty amin'ny anarana fotsiny”; http://www.hetta.com/new/news.php?do=view_subject&id=&ids=78  nosoratan'ilay mpanoratra, Enas Borini ny raharaha. Nanakiana ny fomba fitantanana ny fahitalavitra Emiraty ny lahatsoratra. Tsy nihoatra ny fefy amin'ny fanakianana azo atao ny lahatsoratra, saingy noraisin'ny filohan'ny Abu Dhabi Media fa “manala baraka” azy ny fanehoan-kevitra tao amin'ilay lahatsoratra ka nametraka fitarainana tany amin'ny fampanoavana izy, izay nanapa-kevitra ny hitondra ny raharaha any amin'ny fitsarana, laharana 8585, taona 2009 tamin'ny 14 Jona 2009.

Nitatitra ihany koa ny Gulf News fa efa heverina ho fanalam-baraka ny fanehoan-kevitra tamin'ilay lahatsoratra antserasera,

The comments were considered by the complainant and the Public Prosecution as slander and defamation.

Raisin'ny mpitory sy ny Fampanovana ho fanendrikendrehana sy fanalam-baraka ilay fanehoan-kevitra.

Nilaza ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra fa hampakatra ny didim-pitsarana izy ireo, ho hita eo ny fivoaran-draharaha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.