18 Janoary 2019

Tantara tamin'ny 18 Janoary 2019

Lesona momba ny fanaratsiana: Blaogera avy ao Afrika Atsimo enjehina ho nanoso-potaka

GV Mpisolovava  18 Janoary 2019

Taorian'ny nanoratan'i Donn Edwards, Afrikana Tatsimo iray, teo amin'ny blaoginy momba ireo tetika fanaovana varotra mampiahiahy an'ilay orinasa antsoina hoe Quality Vacation Club, nenjehina araka ny lalàna izy hoe nanao fanalàm-baraka. Nadika ho toy ny raharaha manohitra an'ireo blaogera rehetra ao Afrika Atsimo izany ka dia natomboka ny anentanana iray ho fanohanana azy, sy vondrona iray tao amin'ny Facebook ary ampolony mahery ireo blaogera ampolony no nanoratra mikasika tranga io. Ho an'ireo blaogera, indreto lesona vitsivitsy mikasika ny fanaratsiana sy fanalambaràka.

Malezia: Fitsipi-pitondrantena amin'ny rehefa mibilaogy?

GV Mpisolovava  18 Janoary 2019

Taorian'ny fisavorovoroana be teo amin'ny bilaogy Maleziana, nanolo-kevitra ny Minisitry ny Atitany, Datuk Seri Syed Hamid Albar vao haingana fa tokony hanangana fitsipika momba ny fitsipi-pitondrantena azy ireo manokana ny bilaogera mba hiantohana ny maha-tompon'andraikitra sy izay rariny amin'ny asa soratr'izy ireo.

Bilaogera nogadraina tao Nizeria

GV Mpisolovava  18 Janoary 2019

Ilay bilaogera Nizeriana monina any Etazonia, Jonathan Elendu, izay mibilaogy ao amin'ny Elendu Reports dia notanan'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovam-panjakana (SSS) tsy misy fiampangana, nanomboka ny Asabotsy 18 Oktobra 2008. Nosamborina rehefa tonga tao amin'ny seranam-piaramanidina Nnamdi Azikiwe, Abuja, avy any Etazonia i Elendu . Nohadihadiana izy noho ny "asa fikomiana" .