Miverina amin'ny Laoniny i Kenya
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2008)
Mampihomehy ny fitsimbadimbadiky ny fiainana. Firenena iray izay efa nanamorona sy nandrahona ny hanaraka ny lova navelan'ireo fanjakana tsy mahomby ao Afrika, no indro mahazo aina indray ary miverina amin'ny laoniny.
Ankehitriny dia miray indray ireo mponin'i Nairobi, izay mpifahavalo sy nanahy momba ny fiaviany ara-poko teo aloha, mba hamely ny minisitry ny governemanta ao an-toerana noho ny fanovàna ny làlan'ireo fitateram-bahoaka sy ny fanerena ny olona handeha an-tongotra lavitra be. Mivondrona ireo mpivarotra mandehandeha sy ireo mpivarotra madinika hangatahana ny fanitarana ny tsena sy ny fametrahana jiro mazava tsara ho an-dry zareo mba hivarotany amin'ny alina. Toa napetraka etsy amin'ny sisiny ny fifankahalàna ara-poko ary amin'izao dia manery ny hanatanterahana hevitra iombonana ny vahoaka, ary mizotra manohy ny fiavotana ara-toekarena.
Mitaratra io fahasamihafàna io ihany koa ireo adihevitra anaty aterineto, miahiahy momba ny Initial Public Offer (IPO) an'ny Safaricom, orinasa mpamokatra finday miroborobo sy lehibe indrindra ao Afrika Atsinanana, ireo bilaogera. Anatin'ny fifanandrinana ara-politika, mifandanja sy mitombina kokoa ireo adihevitra raha oharina amin'ny tamin'ny roa volana lasa.
Famantarana iray goavana ny fivarotana ny Safaricom fa miray ny governemanta satria mialoha ny fifidianana, tsy nanaiky ny hivarotana ireo petrabola ny avy any amin'ny mpanohitra. Ankehitriny, manohana ity orinasa manan-karena indrindra ao Kenya ity izy rehetra.
Gaga ny Kumekucha fa nivadika ny mpitarika ny mpanohitra, Raila Odinga, ary nanohana ny IPO na dia nilaza ny fanoherany izany aza nandritra ireo fampielezankevitra:
Nihaona tamin'ny Minisitry ny Fitantanam-bola, Amos Kimunya, i Raila omaly ary na dia ilay minisitra, izay vao efa-bolana monja aza izay no nilaza fa tsy tsena fivarotan-trondro ny tsenam-bolan'i Nairobi tanatinà fanafihana manokana nafenimpenina nikendry an'i Hon Raila Odinga, dia miresaka am-panajana tampoka momba an'i Raila. Tanatinà valandresaka niarahany tamin'ny mpanao gazety omaly, nanolotra an'i Raila sy ny Filoha Kibaki ho “ireo mpitarika roa antsika” izy, ny endriny toa miramirana.
Tsy fotoana fanompoana mpamonjy izao, saingy ilaina kosa ny fanazavan'i Hon Raila Odinga amin'ny vahoaka izay nahatonga io fiovam-po io. Aza diso fandraisana ahy, faly aho momba ilay firaisana sy fiaraha-miasa hita indray eo amin'ireo mpitarika roa ireo, izay nitondra an'i Kenya tamin'ny krizy ratsy indrindra sy mbola eo am-pototry ny ady an-trano. Manoloana ireo toedraharaha ireo, tena iriana mihoatra ny nóho ny zava-drehetra ny fandriampahalemana, ary tena ny zava-drehetra no tiako ambara.
……Na izany aza, ny teniko farany amin'ity raharaha ity dia na inona na inona vidiny, azoko antoka fa mahaleo ny sarany izany. Fiadanana tsara kokoa ary avelao izahay no hanefa izany. Satria tokoa tsy misy afaka hanohatra ny ain'olombelona (izay tsy misy sarany) amin'ny zavatra hafa rehetra eto ambanin'ity masoandro ity. Saingy, noheveriko fotsiny fa tokony hampahafantarina ireo Keniana.
Voafintin'ny tsikera iray ao amin'ny bilaogy Kumekucha ny olan'ny politika sy ny fandraharahàna ary ny fananiham-bohitra ao Kenya, sy ny fifandraisan'izy ireo amin'ny mahantra (maro an'isa):
Araka ilay efa nolazaiko taloha, momba ny tombontsoan'ny saranga ny politika ao Kenya. Hitanao ankehitriny ny saranga hiasan'ireo Solombavambahoaka, izy rehetra izay mikendry ny ho mpanatapitrisa maro anatin'ny 5 taona. Tongava ny 2010 dia hanomboka araka ny tokony ho izy ny ady lova, hanomboka hanohitra izay rehetra ataon'ny governemanta ry zareo…ary hivonona hitehaka azy ireo ho mpamonjy, mpitarika, maritiora antsika, sns, isika.
Manontany tena i Kenyanentrepreneur raha miraharaha ny momba ilay IPO ny vahoaka:
Na izany aza, mila mamindra ny Keniana tsotra any amin'ireo faritra ambanivohitra ny LSE mba hividy petrabola mandritra ireo IPO sy handray anjara anatin'ny tsenam-bola amin'ny ankapobeny. Ary ny tiako tenenina dia anatin'ireo tanàna ambanivohitra toy ny Githunguri, Bondo, Matuu, Kabartonjo, Mumias, Wajir, Mwatate, Mazeras, Lodwar sns sns sns.
Mila arifomba kokoa ny Keniana anatin'ireo safidiny amin'ny fampiasam-bola. Avy eo, hijanona ny adin'izy samy izy amin'ny fomba fanao tamin'ny arivo taona lasa miaraka amin'ny tsipìka sy zana-tsipìka mba hahazo poti-tany.
Mila tonga saina ireo Keniana fa afaka mampiasa vola anatin'ny Tsenam-bola any New York na dia mipetraka any amin'ny vohitra misy azy aza.
Mametra-panontaniana amin'ireo olana ara-pitsipika sy ara-pitondran-tena ambadik'ilay tolotra i Businessinfocus, manontany tena raha tokony navoaka tany amin'ny faraparan'ny taona tany ireo petrabola:
…..izany no mahatonga ny rivo-pahamaikana nofohaziny tanatin'ilay raharaha, nanonona ireo fanomezan-toky ara-ketra sy ara-bola tsy voatàna raha tsy namidy ny Safaricom. Efa potika ireto farany volana maro taorian'ny tsy nahalavorarian'ny fanatanterahana ilay varotra tamin'ny Desambra. Ampahafantarin'ireo zavamisy ao an-toerana ny fahanginan'Atoa Kimunya manoloana ireo fanomezan-toky ireo raha manohy ny varotra kosa izy. Tsy afaka miteny amin-toky amin'ireo Keniana intsony izy fa tsy ho tanteraka ireo drafitrasa na tetikasa amin'ity taona ara-bola ity raha tsy amidy eo no ho eo ny Safaricom, satria fantany fa tsy afaka ho azon'ny Tahirim-bolam-panjakana ny vola miditra anatin'ny kitapom-bolam-panjakana mialoha ny volana Jolay rehefa manomboka ny taona vaovao fandoavan-ketra.
…Avy eo, misy ilay fanontaniana ara-pitondran-tenan'ny manampahefana mikasika ny atao hoe governemanta tetezamita izay iasan'Atoa Kimunya ho Minisitry ny Fitantanam-bola mba hanaovany hetsika iray manan-danja toy izao, andro vitsy monja alohan'ny hananganana governemanta iray vaovao. Ireo fampahafantarana fa mety hanangana governemanta vaovao ny Filoha Kibaki mialoha ny faran'ity herinandro ity aorian'ny andanian'ny Parlemanta ny volavolan-dalàna dia mamela ny fiheverana manjombona fotsiny ihany fa atosiky ny tombontsoa manokana sy mpanavakavaka ny hetsik'ilay minisitra.
Nampiakatra ny Googlemap an'ilay sehatra misafotofoto izay mampiseho ireo fandaharanasa mba hany fotodrafitrasan'i Kenya ho an'ny vahoaka i Tengeza, hanopazana maso maika ny krizin'ny mpivarotra mandehandeha sy ny vahoaka izay mananontanona.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...