Fanentanana “Avotsory i Monem”

(Marihina fa tamin'ny volana May 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Raha nankalaza ny Andro Erantany Ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-Gazety izao tontolo izao, ilay Egyptiana mpanao gazety sady bilaogera, Abdel Monem Mahmoud, kosa any am-ponja rehefa avy nitatitra momba ny fampijaliana ka nanameloka ny fandefasana ireo sivily ho any amin'ny fitsarana miaramila .

Tamin'ity fotoana ity, nanangana ny fanentanana Avotsory Monem ireo bilaogera vitsivitsy sy mpikatroka avy amin'izao tontolo izao.” Tsy afaka mamela ny fitondrana hahomby amin'ny fampanginana azy izahay. Tsy maintsy mampiseho ny fitondrana Egyptiana izahay fa rehefa managadra bilaogera izy ireo dia tsy mampangina ny feony, fa vao mainka MANAMAFY izany! ” hoy izy ireo nanoratra tao amin'ny mailaka fanambarana .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.