Sri Lanka: Maneho ny Heviny momba ilay Famonoana an'i Lakshman Kadirgamar ireo Bilaogy

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aogositra 2005)

Novonoin'ireo mpitily tao Colombo i Lakshman Kadirgamar. Namoaka ny indi.ca fa tsy maintsy ho ny LTTE no namono an'i Kadirgamar. Manao fanambaràna mitovy amin'izay ny Nidahas. Manana tantara momba ny zavatra azon'ireo sampana Fitsikilovana ao amin'ny Tafika tamin'ny onjampeo ny LankaBuzz. Mamaly izany i Morquendi amin'ny filazàna fa tsy afaka melohina ny LTTE mandra-pisian'ny porofo avy amin'ny Governemanta, na ny LTTE. Manana lahatsoratra iray izy izay miezaka manakatra izay hahazo tombontsoa amin'ity famonoana ity, sy ny hoe resaka pôlitika ihany ve ilay izy.

Tsy mieritreritra i Arvind fa hahomby ny marimaritra iraisana amin'ny LTTE (rohy maty). Sosotra amin'ny sasany amin'ireo fanehoankevitra momba io famonoana io ny One one things. Mitomany ny fahaverezanà mpitarika iray (rohy maty) ny Days Go By .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.