Hanomboka tsy ho ela ny Fihaonana An-tampony amin'ny Global Voices (2010)!

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny 2010)

Taorian'ny volana vitsivitsy nikarakarana ary ny horohorontany iray tena nanelingelina be, latsaky ny 10 ora mialohan'ny fanombohana ny Fihaonana An-tampon'ny Global Voices Citizen Media 2010 izao isika. Ho anareo efa aty Santiago miaraka aminay, ho faly ny hahita anareo izahay rahampitso ao amin'ny Tranombokim-bahoaka ao Santiago. Ho an'ireo handray anjara an-tambajotra, maro ny fomba hijanonana amin'izany mandritra ireo roa andron'ny fihaonana.

Handefa mivantana an-dahatsary izay farany vitanay amin'ireo resaka ho atao izahay, raha mbola ho eo anilanay foana ireo andriamanitry ny aterineto. Ankoatra ilay fandefasana mivantana an-dahatsary, hitoraka blaogy mivantana ireo resaka, fanamarihana mahira-tsaina, ary fosafosa tsy azo ialana rehetra amin'ny teny Angllisy sy Espaniola i Jorge Gobbi sy i Felipe Cordero, mandritra ireo roa andro isehoan'ilay fihaonana an-tampony.

Afaka mihaino tsy tapaka ao amin'ny Twitter ianao, ary afaka mandray anjara amin'ny fampiasana ny tenifototra “#gv2010“. (Manana torolalana ho an'ny fampiasana tenifototra i Twitter.) Na dia tsy manana fidirana amin'ny aterineto aza, mitatitra ao amin'ny Twitter ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana an-tampony saingy nosakanan-dry zareo ny wi-fi tao amin'ilay hotely. Misy vondrona Flickr ihany koa ho an'ny sary tamin'ilay fihaonana.

Henoy tsy tapaka ny Blaogy Fihaonana An-Tampony mba hahazoana vaovao mandritra izany roa andro izany. Efa navoaka ny isanà fandinihana mahazendana mikasika ny fampandrosoana ny fandraisana anjara an-tambajotra any Oganda, Maraoka, Ejipta, Madagasikara, Masedonia, Arzantina, Inde, Gaza, Shina, Kolombia, ary any Bolivia.

Manantena ny fandraisanao anjara izahay, aty Shilia sy manerana ny tany!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.