04 Novambra 2018

Tantara tamin'ny 04 Novambra 2018

Navoaka ireo Rakipeo Tsy Nasiam-panovàna

  04 Novambra 2018

Ireto ambany ireto ny rakipeo tsy nasiam-panovàna tanatin'ireo fivorian'ny Global Voices rehetra. Marihina fa tsy ny rehetra no niteny tsara tao amin'ny famoahampeo, noho izany dia hisy ireo olona heno kokoa nóho ny hafa.

[Tatitra] Teknolojia Ho an'ny Fangaraharana

  04 Novambra 2018

Vokatry ny efa-bolana nikarohana momba ireo tanjona, fanamby, fahombiazana, sy ny fiantraikan'ireo tetikasa teknolojika an-tambajotra izay mikendry ny fampiroboroboana ny fangaraharana, fandraisana andraikitra ara-politika, sy ny fandraisana andraikitra amin'ny maha-olompirenena ity tatitra ity. Izany dia ahitana trangana fikarohana, famintinana ary tolo-kevitra amin'ny fanatsarana ny fitantanana mba hahatonga ny fampiasana ny teknolojia ifotony hahomby kokoa amin'ny fanatsarana ny lisitry ny tetikasa fitantanana manerana ny tany, izay manome torohay fototra voafariparitra ary toejavatra manodidina ireo tetikasa mifandray amin'izany.

Ny “Freedom to Connect”

  04 Novambra 2018

Hiresaka momba ny Global Voices aho anatin'ny resaka amin'ity tolakandro ity, izay mifantoka amin'ny fikendrena hahazo aterineto mora sy amin'ny sarany mirary ho an'ny olona rehetra maneran-tany, mba hamoronana media iraisam-pirenena demôkratika kokoa sy adihevitra ahitàna lafiny maro kokoa manerana izao tontolo izao.