Holandy: Nisioka ny fihaonambe momba an'i Afghanistan ny minisitra Alemà

Maxime Verhagen

Maxime Verhagen

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2009)

Nandritra ny fihaonambe momba an'i Afghanistan vao haingana tany La Haye, afaka namaky ireo vaovao farany sy valinteny mivantana tamin'ireo fanontaniana momba ny fihaonambe tao amin'ny Twitter ireo Holandey mpanara-baovao. Nalefan'i Maxime Verhagen, minisitry ny raharaham-bahiny Holandey, izay nampiantrano ny fihaonambe ny vaovao farany. Mpisera Twitter mavitrika Atoa Verhagen.

Ny omalin'ny fihaonambe, nandefa vaovao farany momba ireo mpandray amin'ny fihaonambe tonga tao amin'ny seranam-piaramanidina Atoa Verhagen. Nandefa sary roa ihany koa izy:

4:49 PM Mar 30th: Op weg naar het vliegveld van Rotterdam om gasten voor de conferentie te verwelkomen.

Ety an-dalana ho any amin'ny seranam-piaramanidina Rotterdam mba handray ireo vahiny amin'ny fihaonambe.

5:28 PM Mar 30th: President Karzai geland, klaar bij de rode loper http://twitpic.com/2luvf

Tonga ny filoha Karzai, miandray azy eto amin'ny karipetra mena aho http://twitpic.com/2luvf  

8:52 PM Mar 31th: Secretary of State Clinton begroeten http://twitpic.com/2mr64

Mandray ny sekretam-panjakana Clinton http://twitpic.com/2mr64 

Naka fotoana hamaliana ireo fanontaniana ihany koa izy. @jellekaat nanontany hoe:

5:36 PM Mar 30th: @MaximeVerhagen gaat u elke gast persoonlijk ontvangen op het vliegveld?

@MaximeVerhagen handray ireo vahiny tsirairay manokana ao amin'ny seranam-piaramanidina ve ianao?

7:14 PM Mar 30th: @jellekaat Nee dat zou ondoenlijk zijn, alleen de hoofdgasten president Karzai en dadelijk secretaris-generaal van de VN Ban Ki-Moon.

@jellekaat Tsia, tsy ho tanteraka izany, fa ireo vahiny lehibe ihany, toa an'ny filoha Karzai ary minisitra vitsy avy eo, ny sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana Ban Ki-Moon.

@paulhottinga kosa niahiahy momba ny voka-dratsy eo amin'ny vahoaka ankapobeny manoloana ny fepetra ara-piarovana manodidina ny fihaonambe

1:52 PM Mar 30th: @MaximeVerhagen hoe gaat het met de voorbereidingen? Was er geen mogelijkheid de delegaties in te vliegen ipv verkeersinfarct die dreigt?

@MaximeVerhagen manao ahoana ny fikarakarana? Tsy mety ve raha nasaina tonga tamin'ny fiaramanidina ireo delegasiona mba hisorohana ny olana ara-pifamoivoizana?

7:40 PM Mar 30th: @paulhottinga We doen ons best om de overlast binnen de perken te houden en de gasten toch veilig te kunnen ontvangen.

@paulhottinga Manao izay vitanay izahay mba hametra ny voka-dratsy araka izay azo atao no sady afaka mandray tsara ireo vahinintsika.

@Bartdejong86 nanontany ny antony nahatonga ny filoha Obama tsy nanatrika ny fihaonambe

1:34 PM Mar 30th: @MaximeVerhagen ik was benieuwd waarom Obama niet bij de top aanwezig is. afgelopen week was hij veel in het nieuws m.b.t. Afghanistan

@MaximeVerhagen Tiako ho fantatra hoe nahoana i Obama no tsy manatrika ny fihaonambe. Nivoaka vaovao imbetsaka izy tamin'ny raharaha Afghanistan tamin'ny herinandro lasa

7:43 PM Mar 30th: @Bartdejong86 Het is een conferentie voor ministers van BZ, daarom komt secretary of state Clinton.

@Bartdejong86 Fihaonambe ho an'ireo minisitry ny raharaham-bahiny ity, izay mahatonga ny sekreteram-panjakana Clinton manatrika izany.

Ny ampitso, andron'ny fihaonambe, mbola nanam-potoana nandefasam-baovao ihany Atoa Verhagen:

12:07 PM Mar 31st: Conferentie toegesproken: naar een nieuw contract tussen de internationale gemeenschap en Afghanistan http://tinyurl.com/cadky6

Nanolotra teny tato amin'ny fihaonambe: mikasika ny fifanarahana vaovao eo amin'ny fiarahamonina iraisam-pirenena sy Afghanistan http://tinyurl.com/cadky6

12:14 PM Mar 31st: Goede toespraken en bijdragen van collega's, er is nieuwe energie voelbaar in de zaal over Afghanistan.

Lahateny mahafinaritra sy fandraisana anjara avy amin'ireo mitovy andraikitra, azo tsapain-tanana ao an'efitra ny angovo vaovao momba an'i Afghanistan.

1:50 PM Mar 31st: Ochtendsessie afgesloten http://twitpic.com/2mwp5 Nu lunchen, onderussen gaan we door met de discussie.

Tapitra ny fivoriana maraina http://twitpic.com/2mwp5 Fotoana hisakafoanana atoandro izao, no sady mitohy ihany ny resadresaka

3:12 PM Mar 31st: Beginnen aan een hele serie 1 op 1 gesprekken, eerst met mijn Pakistaanse, meteen daarna met mijn Russische collega.

Manomboka andian-dresaka mivantana- miaraka amin'ny Pakistaney-ko voalohany, ary avy eo miaraka amin'ny Rosiana mitovy andraikitra amiko.

5:51 PM Mar 31st: Conferentie afgesloten, deelnemers bedankt, deze voor het familieplakboek http://twitpic.com/2n4o3 Nu de persconferentie.

Tapitra ny fihaonambe, nisaotra ireo mpandray anjara, sarim-pianakaviana http://twitpic.com/2n4o3 Avy eo: valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety.

9:35 PM Mar 31st: Vandaag helaas geen tijd gehad om te reageren op vragen, heel veel dank voor alle twittersteun.

Indrisy fa tsy nanam-potoana aho androany hamaliana ireo fanontaniana, misaotra betsaka tamin'ny fanohananareo tato amin'ny Twitter.

Araka ny vaovaony farany tao amin'ny Twitter, any Strasbourg i Verhagen amin'izao fotoana izao hanatrika ny fihaonambe tsingerintaona faha-60 n'ny OTAN:

Apr 3rd: Op weg naar Straatsburg voor de NAVO top van vanavond en morgen.

Eny an-dalana ho any Strasbourg hamonjy ny fihaonamben'ny OTAN androany hariva sy rahampitso.

Apr 4th: NAVO top ter gelegenheid van 60 jarig bestaan. – http://mobypicture.com/?tk7qgi

Tsingerintaona faha-60 ny OTAN – http://mobypicture.com/?tk7qgi

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.