Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Drafitra faharoa momba ny toro-lalana fibilaogina miafina anarana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2005)

Navoakako tamin'ny herinandro ny drafitra voalohany momba ny torolalana ara-teknika amin'ny fibilaogina miafina anarana. Nahazo valinteny mahafinaritra avy amin'ireo olona manerantany aho ary vao avy namoaka drafitra faharoa mikasika ny torolalana momba ny wiki Global Voices, manasa ireo mpiara-miasa mba hanampy hanatsara izany. Raha liana amin'ny lohahevitra bilaogy miafina anarana ianao, dia tsidiho azafady ny torolalana ary manampia amin'ny fanatsarana izany.

(Raha handray anjara amin'ny fanitsiana ity antontan-kevitra ity ianao, dia misy fangatahana roa: Voalohany, mamorona kaonty ao amin'ny wiki-anay, mba ahafahanay manaraka ny fandraisanao anjara. Faharoa, ataovy ao an-tsaina ny mpijery ity antontan-kevitra ity – hanoratra antontan-kevitra mahafinaritra, azo vakiana, sy marina ara-teknika, azo adika ary natao ho an'ireo mpikatroka ao amin'ny firenena an-dalampandrosoana izahay. Tsy miezaka manoratra antontan-kevitra natao ho an'ny cypherpunks izahay.)

Misaotra amin'ny fanampianao!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.