Fanavaozam-baovao avy ao amin'ny efitra famoaham-baovao: Handao antsika i Mahsa ary handray ny andraikiny vaovao i Taisa 

Amin'ny faran'ny volana Septambra, hanao veloma ny mpikambana iray ao amin'ny ekipan'ny toniam-paritra ny “Efitra Famoaham-baovao”. Handao ny toerany amin'ny faran'ity volana ity i Mahsa, toniandahatsoratra Iran hatramin'ny tapaky ny taona 2014 satria hanomboka hiasa ho sakaizan'ny Mpanara-maso Torohay miaraka amin'ny Open Technology Fund izy amin'ny fiandohan'ny volana Oktobra. Tena ho banga tokoa ny fisian'i Mahsa ao amin'ny ekipa.

Ary faly izahay manambara fa i Taisa, izay efa nanao ny asan'ny Fitantanana ny Toniandahatsoratra Mpanampy tao amin'ny Efitra Famoaham-baovao hatramin'ny tapaky ny volana Jolay no hisahana ny andraikitry ny Toniam-baovao amin'ny fiandohan'ny volana Oktobra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.