Senegal : Demba Dia, mpihira nirotsaka ho politisiana

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2008)

Nambaran'ila senegaly mpihira, Demba Dia, ny fijoroan'ny antoko politikany manokana, ho fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka ao amin'ny faripifidianana ao Dakar.

Tsarain'ny “Blog Politique au Senegal ” ho sarotra raisina ho zavatra matotra ilay firotsahan'i Dia  :

…tsy milaza olona izy, tsy tezitra aman'olona na amin'inona na amin'inona ary tsy manana faniriana misavoan-danitra raha jerena ny fandaharanasa napetrany.

Avoakan'ny “Blog Politique au Senegal” ihany koa ity sary nitarina ity : “Rehefa mampihomehy ireo mpanao politika, mandeha ho azy ny hoe mba manao politika koa ireo mpampifaly vahoaka”

Mazava loatra, tsy maningana i Senegal amin'ny fahitàna mpisehatra, mpiangaly gadona rock, mpilalao baolina kitra mirotsaka manao politika. -maneho hevitra i Chrisou, mpamaky:

Tsy Senegaly aho…saingy tena mahafinaritra be ahy ilay afisy sy teny filamatra ! Azo atao mihitsy aza ny mandray azy any amin'ny firenena hafa maro…

Vitsy ny fampahafantarana an'i Demba Dia aty anaty serasera an-tambajotra, fa afa-tsy iray tamin'ireo rakikira an-tsary nataony tao amin'ny Youtube, napetraky ny mpampiasa iray izay manosotra an'i Demba Dia ho “mpanjakan'ny rock Mbalakh”

Navoakan'i  Jennifer Brea

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.