Manomboka mamaha ny olan'ny fahalotoan'ny rivotra ao aminy amin'izay i Ozbekistan

 

Feno vovoka sy setroka ny renivohitr'i Ozbekistan Tashkent. Pikantsary avy amin'ny fantsona Telegrama ho an'ny daholobe Troll.uz . Azo ampiasaina malalaka.

Tamin'ny 14 Janoary, nanatontosa hetsika tselatra antsoina hoe “Toza havo kerak” (mila rivotra madio) ny andiana mpikatroka mpandala ny tontolo iainana, ny bilaogera, ary olo-malaza tao Tashkent, renivohitr'i Ozbekistan. Ny hisarihana ny sain’ny olon-tsotra sy ny tompon’andraiki-panjakana amin’ny olana ara-tontolo iainana no tanjony, indrindra ny amin'ny faharatsian’ny rivotra. Nilanja afisy mitaky ny fampihenana ny fananganana tranobe vaovao, ny fampitsaharana ny fanapahana hazo ary ny fametrahana sivana fanadiovan-drivotra any amin'ny orinasa ireo mpandray anjara.

Nisy koa ny andiana afisy hafa nanontany hoe lasa aiza ny rivotra madio ary nitaraina fa mifoka vovoka ny olona fa tsy rivotra madio. Iray amin'ireo mpikarakara, bilaogera mpandala ny tontolo iainana i Mutabar Khushvaktova, ary naneho ny “fanantenany izy fa hiova ho tsara kokoa ny toe-draharaha” satria nihaino ireo voakasika rehetra, ary hihatsara hoazy ny toe-draharaha  raha “miray hina sy mahatakatra ny maha zava-dehibe ity olana ity ny rehetra.”

Ity misy lahatsoratra tao amin'ny Instagram ahitana ny iray amin'ireo mpandray anjara tamin'ny hetsika tselatra, mpitantana ny fantsona Telegram malaza Troll.uz, milanja afisy milaza hoe: “Ahenao ny isan'ny tranobe vaovao, atsaharo ny fanapahana hazo.”

Nitombo isan-taona ny olan'ny fandotoan-drivotra ao Ozbekistan. Rehefa ririnina matetika dia tafiditra ao amin'ny lisitry ny tanàndehibe 10 voalohany eran-tany maloto rivotra indrindra i Tashkent. Tamin'ny Desambra 2023, tao Tashkent no nahitana ny tondron’ny fahalotoan'ny rivotra faharoa avo indrindra, aorian'ny Delhi any India.

Hatramin'ny vao haingana, tsy noresahina intsony ilay olana ary tsy tao anatin'ny lisitry ny laharam-pahamehana nataon'ny manampahefana izany. Tsy azo notsinontsinoavina intsony izany, ary niara-nientana ny mpiara-miombon’antoka rehetra hiatrika izany. Mihoatra ny fenitra voalazan’ny Fikambanana Iraisampirenena Momba ny Fahasalamana (OMS) ny habetsaka ny kasinga bitika PM2.5 mampidi-doza eny amin'ny rivotra. Ohatra, tamin'ny 19 Janoary, 55.8 μg/m3 ny habetsaky ny kasinga-bitika PM2.5, izay mihoatra ny 11.1 heny noho ny voalazan’ny OMS.

Mahatonga ny fanaintainana, ny homamiadana ary mampidi-doza ho an’ny sela sy mitarika ho amin'ny fivoaran'ny tsy fahazakan-javatra ary misy fiantraikany ratsy amin'ny fahaveloman’ny olombelona ny fiparitahana maharitra amin'ireo zava-bitika ireo. Nitaraina ny mponina ao Tashkent noho ny tsy fahampian'ny torimaso sy ny fitomboan'ny tsy fahazakan-javatra noho ny habetsaky ny rivotra maloto. Niditra tao amin'ny kolontsaina malaza mihitsy aza ny olana rehefa namoaka hira iray antsoina hoe “Xavo” (rivotra) ilay mpanao rap malaza Konsta, izay niresahany ny olana momba ny fahapotehan'ny tontolo iainana sy ny fandotoan-drivotra ao Tashkent.

Ity ny lahatsary YouTube misy ny hiran'i Konsta “Xavo.”

Lava ny lisitr'ireo antony mahatonga io toe-javatra manimba ny tontolo iainana io, ka vokatry ny ataon’ny olombelona ny ankamaroany. Notanisain’ny Talen'ny Foiben'ny Sampan-draharaha Hydrometeorolojika ao Ozbekistan, Sherzod Khabibullaev ho antony fototra ny fandoroana arina sy solika fanafanana, ny fiparitahan'ny fampiasana lasantsy AI-80 izay mamoaka fandotoana betsaka avy amin’ny fiara, ny etona avy amin'ny orinasa indostrialy manodidina an'i Tashkent, ary ny fanorenana izay manakana ny rivotra tsy hivezivezy. Namoaka lisitra fanazavana mitovy amin’izany koa ny minisiteran’ny Ekolojia, ary nampiany fa ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna ao an-tanàndehibe no antony lehibe iray hafa.

Efa mandeha ny tanjona hanitsiana ny tsy mety. Tamin'ny 12 Janoary, nizara drafitra hanatsarana ny kalitaon'ny rivotra ao amin'ny firenena ny Minisiteran'ny Ekolojia, izay ao anatin'izany ny fametrahana fitaovana fanadiovana vovoka sy etona any amin'ny orinasa indostrialy ary ny fanampiana toby fanaraha-maso ny tontolo iainana. Ary koa, namoaka drafitra teboka 12  ny ministera hampihenana ny fahalotoan'ny rivotra ao Tashkent, ka manolotra soso-kevitra hanangana sahalava maitso misy hazo sy zavamaniry manodidina ny tanàndehibe, ary mandrara ny fivarotana lasantsy AI-80 sy ny fampiasana solika, ankoatra ny fepetra hafa.

Ity misy lahatsary YouTube momba ny fahalotoan'ny rivotra ao Tashkent.

Mirotsaka an-tsehatra koa ny fiarahamonim-pirenena. Tamin'ny 12 Janoary, nanolotra fepetra miisa 10 ho laharam-pahamehana ny hetsika nasionaly “Yuksalish” (Misandratra) hamahana ny fahalotoan'ny rivotra, araka ny antsafa nifanaovana tamin'ireo manampahaizana, mpikaroka, mpikatroka, ary mpanao gazety mpandala ny tontolo iainana. Mitombo ny fahatongavan-tsaina fa mitaky fomba fiasa manerana ny firenena sy ny fandraisan'ny olom-pirenena tsirairay anjara ny famerenana ny rivotra madio.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.