Ela niandrasana, nahazo fankatoavana ho ara-dalàna ny fikambanana LGBT tokana ao Angola

Mpanohana ny fikambanana Iris Angola. Saripika: Iris Angola, nahazoana alalana.

Nankatoavin'ny minisiteran'ny fitsarana ho fikambanana ara-dalàna rehefa niandrasana dimy taona tao amin'ilay firenena ny Iris Angola, iray amin'ireo fikambanana vitsy aty Afrika sady hany tokana misy ao Angola ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBT.

Nambara tao amin'ny pejy Facebook an'i Iris Angola tamin'ny 12 Jona 2018, ao anatin'ny volana ankalazan'ny fikambanana ny tsingerintaonany fahadimy ny fisoratana anarana. Any amin'ny firenena tandrefana sasantsasany ihany koa dia manamarika ny volana fireharehana ho an'ireo manana mari-panondroana sy safidin-pananahana isankarazany ny volana jona.

Ao Angola, izay mangina ny lalàna eo amin'ny resaka fahapelahana, miaina miafina ary miatrika fanilikilihana ny fiarahamonina LGBT raha vao resaka fisaboana sy fanabeazana.

Heverin'i Carlos Fernandes, tale mpanatanteraky ny Iris Angola ho fotoana mana-tantara eo amin'ny firenena izany toe-javatra izany:

Trata-se de um momento histórico e significa um virar da página para todos os cidadãos homossexuais, que passam a ter uma entidade reconhecida pelo estado, o que dá ainda maior legitimidade às suas intervenções desta organização no quadro do trabalho que desenvolve na defesa e promoção dos direitos LGBT.

Fotoana manan-tantara izao ary midika ho fivadihan'ny pejy ho amin'ny toko vaovaon'ny olom-pirenena pelaka rehetra, izay efa mahazo fankatoavana ara-panjakana ankehitriny, ary manome vahana ara-drariny kokoa ho an'ity fikambanana ity sy ny asany ka hampitombo ny fidirany an-tsehatra ho fiarovana sy fampiroboroboana ny zon'ny LGBT.

Notehafan'ny tale mpanatanteraky ny Human Rights Watch, Ian Levine, izay nizara ny dosien'ny fisoratana anarana ihany koa ny vaovao:

Vaovao tsara. Ankatoavin'ny governemanta angoley amin'ny maha-fikambanana azy ny “Angola Iris”, vondrona LGBT angoley.

Tsy ho nandalo foana izany vaovao izany, ka nandraisana fifamihinana sy fankasitrahana. Eo amin'ny fanehoan-kevitra ambanin'ny lahatsoratr'i Iris Angola i Eridson Rudinauro no nanoratra:

Glória a Deus… Deus no comando… Tens que enviar uma cópia autenticada para nós chefia… Agora estamos legais e podemos falar com propriedades e sem medo de nada, fazer e seguir nossas actividades legalmente, porque passaremos a pagar quota ao estado. Viva.

Voninahitra ho an'Andrimanitra… miasa Andriamanitra… Mila mandefa ny kopia voamarina aminay ianao tale an… Ara-dalàna isika ankehitriny ary afa-miresaka amin'ny tompon-trano tsy misy tahotra, afa-manao sy manohy ny asantsika ara-dalàna isika, satria handoa ny anjaran'ny fanjakana isika. Hoorah.

Mpanohana ny Iris Angola. Saripika: Iris Angola, nahazoana alalana.

Mandritra izany fotoana izany ao Mozambika, efa mihoatra ny folo taona izao ny Lambda, hany fikambanana tokana mpiaro ny zon'ny LGBT ao amin'io firenena io, no miandry ho ankatoavin'ny minisiteran'ny fitsarana mozambikana. Tamin'ny Novambra 2017, ny didy avy amin'ny Vaomieran'ny Lalampanorenan'i Mozambika — mitovy amin'ny Fitsarana Tampony ao amin'ny firenena — no nanambara fa tsy araka ny lalampanorenana ny fepetra nampiasaina hitsipahana ny fisoratana anaran'ny Lambda teo aloha, saingy mbola navelan'ny minisiteran'ny fitsarana ho raharaha mbola tsy vita ny fangatahana fisoratana anarana.

Mety hanome aingam-panahy ho an'i Mozambika hanara-dia ihany koa ny maha-tafiditra an'i Iris Angola ho fikambanana ara-dalàna ankilan'ny dingana vaovao vita tamin'ny fankatoavana ny zon'ny vitsy an'isa ara-pananahana sy ara-karazana ao Angola.

Ny Kaomisera Ambonin'ny Fanjakana Mitambatra ao Mozambika no nisantatra ny firesahana ny raharaha tao amin'ny Twitter, nanamarika fa vao notendrena tamin'ny herinandro ny minisitry ny fitsarana vaovao:

Angamba hanao izay efa tokony ho natao tao anatin'izay folo taona izay ny minisitry ny fitsarana vaovao ao Mozambika?

Tsy namela raha tsy nifaly tamin'ny dingana vaovao vitan'ny fikambanana mitovy aminy ao amin'ny firenena mifanolo-bodirindrina aminy ny Lambda:

Vaovao tsara avy ao Angola! nampidirin'ny governemanta ao hijoro ara-dalàna ny fikambanana LGBTQ voalohany ao aminy. Mandritra izany fotoana izany, mbola manosika ny “karatra ara-kolontsaina” tao anatin'ny folo taona ny governemantan'i Mozambika!

Niarahaba ny zavabitan'i Iris Angola ao amin'ny fanehoan-kevitry ny pejy Facebook-n'ny Lambda Mozambique i Berta Maria Samuel, tanora mozambikana iray, ary naneho ny faniriany mba ho tontosa ao Mozambika ihany koa ny toe-javatra tahaka izany:

Não sou contra, muito pelo contrário, cada um tem direito de viver como melhor se sente, hoje foi Angola e amanhã Moçambique, Força LGBT. Parabéns Angola. Gostaria mesmo de ter amigos LGBT.

Tsy manohitra aho, fa ny mifanohitra amin'izany aza, fa mba hanana ny zo hiaina araka izany tsapany ho tsara indrindra ho azy ny tsirairay, androany i Angola ary rahampitso i Mozambika, hery LGBT. Arahabaina i Angola. Te-hanana namana LGBT maro aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.