(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Janoary 2010)
Namely an'i Haïti ny harivan'ny 12 Janoary 2010 ny horohorontany amin'ny mari-pandrefesana Richter 7: Nanjary teny malaza indrindra ao amin'ny sehatra Twitter ny “Haiti” noho izany. Ankoatra ireo hafatra marobe indrindra mamoaka ny vaovao sy ny vavaka sy firariantsoa ho an'ity nosy Karaiba ity tao amin'ny Twitter, nisy ihany koa ny hafatra fijoroana vavolombelona avy tao an-toerana, tahaka ilay mpihira sady mpitantana toeram-pisakafoanana Richard Morse (kaonty twitter @RAMHaiti). Namoaka ny siokany voalohany tamin'ny 6 ora hariva, ora ao an-toerana, i Richard Morse :
sommes ok a l'oloffson [l'hôtel qu'il dirige] ..internet marche !! pas de téléphone! espère tout le monde ok …beaucoup immeubles à PAP [Port-au-Prince, capitale d'Haïti] sont tombés!
tsy maninona izahay ato amin'ny oloffson [ny hotely tantaniny] ..mandeha ny aterineto !! tsy misy finday! manantena fa salama ny rehetra …marobe ireo trano nianjera ao PAP [Port-au-Prince, renivohitr'i Haïti]!
Andiana hafatra navoaka adiny iray taty aoriana tao amin'ny Twitter:
On me dit que des parties du Palace sont tombées…L’ UNIBANK ici dans la Rue Capois s'est effondré
Port au Prince est dans le noir, à part quelques feus
voitures commencent à circuler …Je vois des lumières au loin vers la jetée sur la mer
Ao anaty haizina i Port au Prince, ankoatra ireo afo sasany
Nirodana ny hopitaly lehibe teo am-panamboarana somary ampitanay eto oloffson
manomboka mivezivezy ny fiara …mahita jiro lavitra avy eny an-dranomasina aho
Taty aoriana, nizara indray ny hafatry @isabelleMORSE i Richard Morse, milaza momba ireo “ fahavoazana goavana ao Grand Rue (Ave Dessalines), salama tsara i Daniel Morel. Rava avokoa ny Komisarià, ny Katedraly, ny Telecom afovoan-tanàna, ny fiangonana St Anne“.
Taorian'ny tamin'ny 7 sasany hariva tao Haiti, nanoratra i Richard Morse hoe:
Le téléphone commence a remarcher eu un appel de quelqu'un dont la maison est tombée, l'enfant est blessé mais ok quelques personnes arrivent à l’@Oloffson..routes sont bloquées par des murs effondrés…beaucoup de destructions sur la Grand Rue. j'ai entendu que l'hopital général s'est effondré
les gens ont besoin de fournitures médicales nourriture, abris connais pas la situation pour l'eau
Manomboka mandeha indray ny finday, nahazo antso avy amin'ny olona nanana trano nirodana, naratra ilay ankizy saingy tsy misy atahorana, misy ireo olona sasany tonga ato @Oloffson..tapaka ny lalana noho ireo rindrina nirodana…marobe ireo faharavana ao amin'ny Grand Rue. Reko fa nirodana ny hopitalim-bahoaka
mila fitaovana ara-pitsaboana sakafo, fialofana ny olona, tsy fatantra ny amin'ny rano
Tamin'ny 7:45 hariva:
Tamin'ny 8:40 hariva:
setriny hafa…somary lavalava…tabataba marobe ao afovoan-tanàna…..ho lava ny alina
Ahitana sary marobe nalain'ireo vavolombelona teny an-toerana ihany koa ao amin'ny Twitter, tahaka ireto ambany ireto, toa nalefan'ilay mpanao gazety Carel Pedre ao amin'ny Radio One ao Haiti ho an'ilay mpisera Twitter @marvinady
Namoaka sary misy ireo fahavoazana ihany koa @LisandroSuero: