Tantara tamin'ny 27 Jona 2018
Inona no novakian'ireo mpamaky ny Global Voices nandritra ny herinandron'ny 18 – 24 Jiona 2018?
Tamin'iny herinandro iny, nahasarika mpamaky avy amin'ny firenena miisa 201 ny tantaranay sy ny fandikanteninay! Ireto ny firenena miisa 20 lohalaharana tato amin'ny tranokalan'ny Global Voices
Haïti : Fijoroana vavolombelona sy sary ao amin'ny Twitter taorian'ny horohorontany
Namely an'i Haïti ny harivan'ny 12 Janoary 2010 ny horohorontany amin'ny mari-pandrefesana Richter 7: Nanjary teny malaza indrindra ao amin'ny sehatra Twitter ny “Haiti” noho izany.
Ozbekistan: Ady tsangambato
Ankalazaina ho Andron'ny Mpiaro ny Tanindrazana ao Ozbekistana ny 14 janoary. Andro iray mialoha ity andro ity, nisy ny lanonana fanokafana lehibe amin'ny tsangambato "Fianianana ho an'ny Tanindrazana" natao tao Tashkent, renivohitr'i Ozbekistana.
Sodana: Mitantara ny fomba mampahonena nisamborana azy ilay mpikatroka an-tserasera
Nosamborina nandritra ny bemidina tao an-tranony ny alin'ny 5 Martsa 2009 ary navotsotra ny 11 martsa ilay mpikatroka amin'ny aterineto Sodaney sady mpisolovava Abdel Hakim Abdel Rahman Nasr. Voasambotra izy ora vitsy monja taorian'ny nanehoany ny fanohanany ny didy fampisamboran'ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisam-pirenena ny filohan'i Sodana Omar al-Bashir.
Fampaharetana ny Kolontsaina, Famerenana Ny Tenindreny: Ivontoerana Misahana Ny Vakoka Ao Tlingit sy Sealaska
“Tsy tianay hiely eny amin'ny rivotra eny fotsiny ny nataonareo, ny fomba fanaon'ny dadabenay..." Ny Ivontoerana Misahana Ny Vakoka Ao Sealaska dia miasa amin'ireo fiteny teratany sy efa tandindonin-doza ao Pasifika Avaratra-andrefana, amin'ny fandrafetana andian-taranaka tanora hampiasa ilay fiteny.
Iran: Nanokatra fantsom-pahitalavitra persiana vaovao ny BBC
Nahazo dera ny fandefasana ny Fahitalavitra BBC Persiana tamin'ny 14 Janoary 2009 ary niteraka hafanam-po, ahiahy, ary nisarika ny saina raha fehezina ! Naneho ny hevitr'izy ireo momba ity fantsona vaovao ity ireo bilaogera Iraniana, ary samihafa avokoa izy ireo.