Madagasikara: Iza ireo kandidà lehibe ho filoham-pirenena?
[Lahatsoratra nosoratan'i Andry R. Razafimbahoaka, mpanoratra nasaina. Nisy novain'i Global Voices avy eo ny lahatsoratra hampazava azy kokoa sy amantarana ny tokotanin-tsehatra]
Tsy maintsy mandeha mandrotsa-bato hifidy izay ho filoham-pirenena mialoha ny fotoam-pahavaratra, izany hoe alohan'ny oktobra 2018 farafahatarany, ny Malagasy. Izany no fanapahan-kevitry ny Fitsarana Avo Momba ny Lalampanorenana (HCC) hamaranana ny fanjavozavoana ara-politika sy ny fihetsiketseham-panoherana. Saingy tsy manome antoka ny lasan'ireo kandidà lehibe ho filoham-pirenena.
Nanapa-kevitra ny Fitsarana Avo Momba ny Lalampanorenana (HCC) tamin'ny 28 avrily, amin'ny handidiana ny fananganana governemantan'ny marimaritra iraisana. Nanomboka ny asany izany tamin'ny 12 jona ary iraka ampanaovina azy ny hamoahana ny firenena amin'ny krizy politika amin'izao fotoana izao. Notendren'Atoa Hery Rajaonarimampianina ho filohan'ny governemanta Atoa Christian Ntsay, mpiasa ambony ao amin'ny Fifandaminana Iraisampirenen'ny Asa. Manomboka izao, amin'ireo minisitra 30 mandrafitra ny governemanta, dia [folo mahery] no avy amin'ny mpanohitra.
Tsy maintsy mametra-pialana roa volana mialoha ny fihodinana voalohany ny filoha Rajaonarimampianina, araka ny voalazan'ny lalampanorenena malagasy, raha te-hirotsaka hofidiana ho filoha. Na dia mbola tsy nilaza na inona na inona aza izy, dia be ny herijika manondro fa hirotsaka ho kandidà hifaninana amin'ireo kandidà roa hafa efa filoha teo aloha izay manana lasana mampiady hevitra ihany Atoa Hery Rajaonarimampianina.
Madagasikara, firenena voahozongozon'ny krizy
« Mangirifiry ary tsy miala mihitsy, mampahatsiahy mandrakariva ny tsy fahamarinan-toeran'ny firenena ireo krizy malagasy [miverimberina] », hoy ny nosoritan'Andriamanambe Raoto, tonian-dahatsoratry ny gazetiboky Politikà. Ho an'io mahay tsara ny tantaran'ny nosy io, notapatapahin'ny krizy politika miverimberina hatrany ny fihodinan'ny fitomboana sy ny fampandrosoana.
Hoy ny fitarainany hoe:
A chaque fois que Madagascar a connu une ébauche de décollage, celle-ci s’est soldée au bout de quelques années par une crise politique majeure qui a remis en question la dynamique positive amorcée.
Isaky ny ahitana fiaingana i Madagasikara, dia miafara amin'ny krizy ara-politika lehibe hatrany izay mampihemotra ilay fihetsehana miabo izany taona vitsivitsy aty aoriana.
Nanomboka tamin'ny 21 avrily 2018, nanao fihetsiketsehana manohitra ny lalam-pifidianana izay heveriny ho manilika an'i Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina, samy filoha teo aloha sady kandidà lehibe amin'ny fifidianana hoavy, ny mpanohitra an'i Hery Rajaonarimampianina. Hita tokoa manko fa ny andininy faha-6 dia mandrara izay olona rehetra efa voaheloka tsy hirotsaka hofidiana.
Fa ny fahantrana mihalalina no mbola manahirana ny mponina hoy i Mireille Razafindrakoto, talen'ny fikarohana ao amin'ny Institut de recherche pour le développement (IRD na Ivontoeram-Pikarohana ho amin'ny Fampandrosoana). Raha afa-namerina ny fanampiana avy amin'ny firaisamonina iraisampirenena i Hery Rajaonarimamapianina, dia tsy vatrany koa ny namaha ny krizy. Koa mbola omena fehim-potoana hafa indray ve izy sa aleo hiasa ny fifandimbiasam-pahefana ?
Marc Ravalomanana, filoha teo aloha
Rehefa niampanga ny fangalaram-bato nataon'Atoa Didier Ratsiraka (filoha nanomboka taona 1975 ka hatramin'ny taona 1993, avy eo nanomboka taona 1997 ka hatramin'ny taona 2002), dia lasa filoham-pirenena Atoa Marc Ravalomanana tamin'ny taona 2002 taorian'ny fihodinana voalohany ary na dia tsy nanaiky izany aza ny firaisamonina iraisampirenena.
Tamin'ny taona 2008, tsy araka ny hevitry ny ankamaroan'ny mponina, nihevitra ny hampanofa tany mirefy 1,3 tapitrisa hekitara mandritra ny 90 taona tamin'ny orinasa koreana tatsimo Daewoo Logistics Atoa Marc Ravalomanana. Tamin'ny taona 2009, tratran'ny krizy ara-bola soa aman-tsara ny firenena. Niafara tamin'ny fialany tamin'ny 17 marsa sy ny nanaovany sesintany tany Afrika Atsimo ny fihetsiketseham-panoherana an-dalambe nandritra ny volana maromaro.
Andry Rajoelina, « filohan'ny tetezamita »
Ny androtr'io daty voatonona farany io, nomen'ny tafika ho an'i Andry Rajoelina, Ben'ny tanànan'Antananarivo nanomboka ny taona 2007 ka hatramin'ny taona 2009 ny fahefana. Saingy voatery izy nanangana ny governemanta iraisana amin'ireo mpanohana ny filoha teo aloha toa an'i Marc Ravalomanana, Didier Ratsiraka ary Albert Zafy. Noho ny fahazoany ny fahefana avy amin'ny miaramila, noteren'ny firaisamonim-pirenena hiala amin'ny fiadidian'ny filoha i Andry Rajoelina ary hikarakara ny fifidianana, izay tsy nataony raha tsy tamin'ny taona 2013. Nandritra ny efa-taona niasany, tsy nitsaha-niakatra nampatahotra ny fahantrana ary tsy nisy na niiba mihitsy aza ny fitomboan-karena.
Tsy isalasalana fa maniry hamaly bontana Atoa Rajoelina amin'izany fanapahan-kevitra hirotsaka amin'ity taona ity izany. Amin'izay fotoana izay anefa tsy maintsy manao izay hanalavirana an'i Maminiaina Ravatomanga, mpandraharaha mpanakarembe sady mpiara-dia aminy izay voampanga ho manao fanadiovam-bola sy mandositra hetra, izy.
Ao anatin'izany toe-javatra izany, ahiana hisy fifandirana vaovao eo amin'ny politika malagasy indray ny fifidianana ho filoham-pirenena hoavy.

Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Desambra 2019 18 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 167 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...
Miarahaba an'i jentilisa. Ity no hasiako fanamarihana manokana "Tsy maintsy mahay manoratra amin'ny teny Frantsay ianao...