(Marihana fa efa tamin'ny volana Marsa taona 2009 no nivoaka ny lahatsoratra teny Anglisy)
Tamin'ny herinandron'ny 10 marsa 2009, nosivanin'ny governemanta Toniziana ny gazety, El Mawkef. Bilaogy voasivana Tunisia Watch manoratra hoe:
Le rédacteur en chef de l'hebdomadaire “Al Mawkef”, Rachid Khéchana, a accusé vendredi les autorités tunisiennes d'avoir procédé à une “saisie déguisée” du dernier numéro de son journal, organe du parti démocratique progressiste (PDP), une formation de l'opposition légale. Les autorités ont aussitôt démenti cette accusation qu'elles qualifient de “fausses allégations”.
Selon M. Khéchana, des pressions auraient été exercées sur la société privée de distribution pour qu'elle ne livre aux kiosques que deux exemplaires à chacun. Dans un communiqué transmis à l'Associated Press, il considère cette “mesure répressive” comme “une atteinte à la liberté de la presse et une sanction contre tout journal qui s'attache à sa ligne indépendante”.
Les autorités soutiennent cependant que ce journal “parait régulièrement et est distribué à travers le pays sans restrictions aucunes, à l'instar de tous les autres organes de presse”. “Tous les partis de l'opposition en Tunisie exercent leurs activités politiques et médiatiques en toute liberté”, affirme une source gouvernementale. (AP – 14.03.2009)
Tamin'ny zoma [13 Marsa], niampanga ny manampahefana Toniziana ho “mandraoka mangingina” ireo gazetiny nivoaka farany ny tonian-dahatsoratry ny gazety mpivoaka isan-kerinandro, Al Mawkef, mpitondra tenin'ny Antoko Liampandrosoana Demaokratika (ADM), anisan'ny mpanohitra ara-dalàna. Nolavin'ny manampahefana avy hatrany ny fiampangana, nolazain'izy ireo fa “fiampangana diso”.
Araka ny filazan'Atoa Khechena, nisy ny fanerena natao tamin'ity orinasa tsy miankina momba ny fitsinjarana gazety ity, amin'izay dika roa tsirairay avy ihany no zaraina isaky ny toeram-pivarotana. Tamin'ny fanambarana nalefa tany amin'ny Associated Press, mandray ity “fepetra manasazy” ity ho toy ny “fanafihana ny fahalalaham-pitenenana sy sazy atao amin'ny gazety mamoaka lahatsoratra mahaleotena izy.”
Nilaza ny manampahefana, na dia izany aza, fa “mipoitra ara-potoana ity gazety ity ary zaraina manerana ny firenena tsy misy famerana, tahaka ny fampitam-baovao hafa rehetra. “Manao ny asany ara-politika sy fampitam-baovao an-kalalahana ireo antoko mpanohitra rehetra,” hoy ny loharanom-baovaon'ny fanjakana. (AP -03.14.2009)