Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

10 Jona 2018

Tantara tamin'ny 10 Jona 2018

Tonizia: Famelezana ny fahalalaham-pitenenana

Nogiazana noho ny didim-pitsarana ny gazety Toniziana mpivoaka isan-kerinandro "Attariq Al-Jadid" noho ny fanitsakitsahana ny fehezan-dalàna mifehy ny gazety, araka ny fantatra tamin'ny loharanom-baovaon'ny fanjakana. Avy amin'ny baiko "araka ny andininy faha-63 sy 73 amin'ny Fehezandalàna mifehy ny gazety" ny fanagiazana, araka ny filazana navoakan'ny sampan-draharaham-panjakana TAP.

Miraondraona ny bilaogy any Azia Atsimo

Mitaky ny lalàna tamin'ny taona 1979 fa rehefa manao fiampanga fanolanana ny vehivavy dia tsy maintsy manolotra vavolombelona efatra lahy izy. Raha tsy mahita ireo vavolombelona ireo izy dia ny tenany ihany no tompon'andraikitra tamin'ny fanitsakitsaham-bady....

Rosia: Bilaogera maty tany an-tendrombohitr'i Elbrus

Olona 30 eo ho eo no maty isan-taona any amin'ireo tendrombohitr'i Rosia; tamin'izy ireo, folo teo ho eo no maty tany Elbrus.

Tonizia: Sivana ankolaky ny gazety iray!

Ampangain'ny tonian-dahatsoratry ny Al Mawfek ny governemanta Toniziana ho "mandraoka mangingina" ny gazetiny mba hanivanana ilay gazety miahy tena.

Tonizia: Mpianatra mpikatroka mitokona tsy hihinan-kanina mba ho tafaverina hianatra ao amin'ny oniversite indray

Toniziana 158 sy ny naman'izy ireo avy amin'izao tontolo izao no mitokona tsy mihinan-kanina mandritra ny tontolo andro androany (26 Martsa) ho firaisan-kina amin'ireo mpianatra dimy izay nitokona tsy nisakafo nanomboka tamin'ny 11 Febroary ao Tonizia.

Ataon'ny Makedonianina Vazivazy Ny Mikasika Ilay Fifanolanana Amin'i Gresy

Raha mihevitra ilay fifanolanana mikasika ny fanomezana anarana miaraka amin'ny Gresy ho raharaha matotra ny ankamaroan'ny olom-pirenena any amin'ny Repoblikan'i Makedonia, ny sasany kosa dia maneho izany amin'ny hatsikana sy ny fanesoana (sariitatra ).