Hetsika Nanoheran'ny Mponin'ny Alina Ao Zeorzia An'ireo Nasiônalista

Tezitra tamin'ny bemidina nataon'ny polisy tany amin'ny trano fandihizana alina, an'arivo ireo mpandihy amin'ny alina sy mpikatroka liberaly no naka ny fifehezana ny arabe teo ivelan'ny parlemanta ary nanao fandihizana tsy nisy fiomanana, ny 12 sy 13 May. Nanisy voninkazo camomille teny amin'ny volony ny sasany tamin'izy ireo. Sary avy amin'i Giorgi Lomdaze ho an'ny Eurasianet.
Lahatsoratra fiarahamiasa avy amin'ny Eurasianet.org ito manaraka ito, nosoratan'i Giorgi Lomsadze. Naverina navoaka miaraka amin'ny fahazoandàlana.
Niakatra be ny ady mahery momba ny kolontsaina ao Zeorzia tamin'ny faran'ny herinandro teo taorian'ny bemidin'ny polisy tao amin'ny toerampandihizana amin'ny alina narahan'ny fifanandrinana mahery teo amin'ireo mpiaro ny fiainan'ny renivohitra, ny fiainana malalaka amin'ny alina ary ny vondrona radikaly farany havanana.
Zara raha nahavita nitazona ny fandriampahalemana teo amin'ireo fihetsiketsehana roa nanao fanehoankery tao amin'ny afovoan'i Tbilisi tamin'ny 13 May ny fisian'ireo polisy maromaro, raha nipoaka ho lasa fanoherana be momba ny fahalalahana manokana sy ny maha-olompirenena ny fanoherana an'ily bemidina hiadiana amin'ny zava-mahadomelina tao amin'ireo toerampandihizana roa.
“Ambivitra kely no tsy nidirantsika tamin'ny fifandonan'ny samy sivily ” hoy ny Filoha Giorgi Margvelashvili tamin'ny tafa ho an'ny gazety ny ampitson'io.
Eo afovoan'ilay fifanoherana no misy ny toerampandihizana Bassiani, izay nahazo laza manerantany ho voalohan'ny toerampandihizana tsara indrindra ao Eoropa ary iray amin'ireo toerana ao an-tanàna mahasarika indrindra an'ireo tanora mpizaha tany maharaka erantany.
Ao Zeorzia, i Bassiani no mpitarikan'ny revôlosiona ara-kolontsaina, manampy mamorona hatanorana liam-pivoarana miafina mifanohitra amin'ny tontolo mazàna mpifikitra amin'ny tanindrazana, mankahala vazaha sy ireo mpitia mitovy fananana any amin'ny sisan'ny firenena. Manasongadina ny anjara toerany ao anatin'ny ady ara-kolontsaina ao Zeorzia, naka ny anarany avy amin'ny ady lehibe tamin'ny taonjato 13 ilay klioba.
Nandritra ny taona maro faramparany teo, nihangeza ny hantsana ara-kolontsaina eo amin'ny samy Zeorziana. Tao anaty fotoana fohy dia fohy, niova tanteraka ny paosin'ny firenena: filalaovana ho an'ny tanora liberaly izao ny faritra afovoany haingam-pandroso ao Tbilisi, miaraka amin'ny toetra izay tena tsy mitovy amin'ny mahazatra raha resaka momba ny fananahana, ny andraikitrin'ny lahy sy vavy ary koa ny fomba fisakafoanana . Lasa fahita andavanandro ao Tbilisi ireo mpitsoaponenana, miaraka amin'ireo olona manana volonkoditra matroka kokoa avy ao Afovoany Atsinanana, Azia Atsimo, na Afrika. Ary misy hetsika vao mitombo mangataka ny fanalalahana an'ireo lalàna momba ny zava-mahadomelina, na dia ny rongony no kendrena kokoa noho ny zava-mahadomelina mahery hafa.
Izao no nahatonga an'ireo mpandala ny mahazatra Zeorziana tsy nahazo aina, ary nitarika valiny, isan'izany ny avy amin'ny hetsikanà mpikatroka avy amin'ny farany havanana.
Nanomboka taorian'ny fahafatesana mifanesy nanjo an'ireo mpandeha toeram-pandfihizana amin'ny alina, notsiniana ho noho ny fihinana tafahoatra ny zava-mahadomelina misy mephedrone, tamin'ny voalohandohan'ny volana.
Ny vao maraimben'ny 12 May, novalian'ny Polisy tamin'ny famelezana ny Bassiani sy klioba iray hafa, Café Gallery, nisintona an'ireo mpanao fety ary nisambotra marobe. “Manana rakitsary 20 nà fivarotana zava-mahadomelina anaty klioba… izahay. Voatery nanao bemidia tany amin'ireo klioba izahay” hoy ny Minisitrin'ny Atitany Giorgi Gakharia.
Betsaka no nanakiana an'ilay famoretana ho hetsika dokambarotra ary avy eo nivoaka fa tany ivelan'ny faritry ny klioba no nisy ireo olona valo nosamborina noh ny fitazonana zava-mahadomelina, mahatonga an'ireo fanaovana bemidina mahery ireo ho tsisy nisy nilàna azy.
Tezitra tamin'ireo bemidina ireo, nidina an-dalambe ny mpandeha klioba aman'arivony, teo ivelan'ny parlemanta tamin'ny Sabotsy hariva. Mandihy amin'ny mozika elektronika izay maneno amin'ny fanamafisampeo ngeza be, nanova ny afovoàn-tanàna ho toerampandihizana ho an'ny sisan'ny faran'herinandro ireo mpanao fihetsiketsehana mpifety. Mangataka ny fialàn'ny minisitrin'ny atitany sy ny praiminisitra, mitondra sora-baventy mivaky hoe “Tsy Heloka Ny Mandihy”, “Aza Velesina Aho, Mandihiza Miaraka Amiko”, ary “Raha Tsy Afaka Mankeny Bassiani Izahay, Bassiani No Mankaty Aminay.”
Demonstration proceeds in front of the Georgian Parliament where protesters dance to electronic music after yesterday's raid on nightclubs #Bassiani #tbilisi pic.twitter.com/mgBAQhOatf
— OC Media (@OCMediaorg) May 12, 2018
Fampisehoana natao teo alohan'ny Parlemanta Zeorziana ahitana ny mpanao fihetsiketsehina mandihy aminà mozika elektronika taorian'ilay bemidina omaly natao tany amin'ny toerampandihizana amin'ny alina #Bassiani #tbilisi
Ny polisim-panjakàna no olanay… izay efa niainanay teto taona maro izay ary ilay bemidina tamin'ny 12 May no vavolombelona iray hafa amin'io”, hoy Beka Tsikarishvili, iray amin'ireo mpikarakara an'ilay famoriambahoaka mitarika ny Hetsika Tabataba Fotsy, fiarahamientana avy eny ifotony manosika ho amin'ny plitika fanalalahana ny zava-mahadomelina, tamin'ny vahoaka.
Samy nanandra-peo am-piraisankina ireo DJ malaza Eoropeana. “Ato am-poko i Bassiani, mampalahelo ahy ny mahita ireo rahavaviko sy anadahiko atao tahaky ny mpanao heloka bevava”, hoy ny DJ Soedoa, Joe Mull, nanoratra teo amin'ny Facebook. “Mahereza ry Bassiani”, hoy ilay Alemà artista mpanao techno, Ben Klock.
Nanomboka niharatsy ny zavatra tamin'ny Alahady, rehefa nanohy ny hetsipanoherany ireo mpiaro ilay klioba ary nivondrona teo akaiky teo ireo vondrona tena nasionalista hiringiriny Georgian March sy Georgia Idea.
Far-right counter-rally gathered near 9 April Square after being prevented by police from going to the parliament where #Bassiani #CafeGallery protest is being held #Tbilisi pic.twitter.com/AQylLaTIts
— OC Media (@OCMediaorg) May 13, 2018
Famoriambahoaka valinkafatryu ny avy amin'ny farany ankavanana nisy teo akaikin'ny Kianjan'ny 9 Aprily rehefa avy nosakanan'ny polisy tsy handeha eny amin'ny parlemanta izay misy ny hetsi-panoherana #Bassiani #CafeGallery

Tamin'ny 13 May, nifamory ireo vondrona farany havanana ho an'ny famoriana valinkafatra. Miampanga ireo toerampandihizana amin'ny alina ry zareo ho toerana ho an'ny fihinanana zava-mahadomelina ary fibolilàna ara-pananahana. Nihira ny hirampirenena izy ireo, niteny ratsy ary niezaka ny hanafika ara-batana an'ireo mpifety. Sary avy amin'i Giorgi Lomdaze ho an'ny Eurasianet.
Mifanipaka lavitra ny fanaon'ireo vondrona mpifanandrina, hatramin'ny ideolojiany, miaraka amin'ny hoe akanjo miloko marevaka sy kavina no manjaka eo amin'ny vondrona iray raha volo tsara tapaka kosa ho an'ny iray. Mivazavaza teny mandratra sy ompa mankahala ny olona mpitia mitovy fananahana, niezaka im-be dia be ny hamaky ny fefin'ny polisy ny tanora avy ao amin'ny farany havanana raha mandihy sy mandefa hira elektronika ny ilany hafa ho fandranitana.
Mivazavaza ny sasany ao amin'ny vondrona nasionalista : “Bassiani, Mbay Ta#y [ompa] ! Tsy misy afa-tsy olona mpivarotra zava-mahadomelina fotsiny, mpivarotena sy mpitia mitovy fananahana ry zareo ireo”, hoy ny mpikatroka iray avy ao amin'ny farany havanana mitondra sarontava tamin'ny Eurasianet teny an-toerana.
Filaharana polisy tsotra sy mpandrava korontana no nanao rindrina olona manasaraka ireo famoriambahoaka roa tao amin'ny Lalàna Rustaveli afovoany. Nampiasa fiara fitaterambahoaka ireo polisy mba hanaovana fefy fanampiny ary nanampy kamiao mpanondraka rano raha sanatria lasa mahery vaika ny fifandonana.
Samy nijanona nitàna ny toerany ny tsirairay raha tsy tonga i Gakharia, minisitry ny atitany , niseho taorian'ny 12 ora alina mba hiala tsiny noho ny herisetra tafahoatra nampiasaina tamin'ireo bemidina nataon'ny polisy teny amin'ny klioba.
“Aleo hatomboko amin'ny fialantsiny”, hoy Gakharia, niteraka tehaka nirefodrefotra avy amin'ny famoriambahoaka ankilany raha fimenomenomana kosa avy amin'ny iray hafa. “Miala tsiny aho tsy ho an'ny tenako ihany, fa amin'ny anaran'ireo manampahefana avy ao amin'ny ministeran'ny atitany izay mety nanafintohina anareo na mety nitondra ny tenanareo ho tandindonin-doza ny zavatra nataony”, hoy izy, nanosoka hevitra ny hitalapetraka hiresaka amin'ireo mpanohitra mba hiresahana izay fomba hanavaozana ny lalàna fanasaziana ny fihinanana zava-mahadomelina eo amin'ny firenena.
Nanaiky ny hiparitaka ireo mpikamensona saingy nanana olana ny polisy ny hiarovana ny fivoahany am-pitoniana. Lasa nahery setra be ireo vondrona mahery fihetsika, nanohitra ny polisy ary nikiaka fandrahonana.
Niverina ny filaminana nony farany saingy mbola mipetraka ny fanontaniana momba ny fampiasana ny zava-mahadomelina – nanome tohy ireo mpikambana avy amin'ny parlemanta fa afaka roa herinandro dia hampiditra lalàna vaovao momba ny hantsana ara-kolontsaina tsy mitsahatra mitombo sy ny zava-mahadomelina
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...