Mirohotra manangona sary Panini i Però fa tafita mondialy indray 36 taona taty aoriana

Pejin'ny album Panini miaty ny sarin'i Paolo Guerrero andrasana fatratra. Sary avy amin'ny mpanoratra, nahazoana alalana.
Tamin'ny 15 novambra 2017, nahatratra ny nofinofy faratampony ny baolina fandaka peroviana : tafiditra handray anjara amin'ny amboara manerantanin'ny Federasiona Iraisampirenen'ny baolina Fandaka (FIFA) 2018 hotontosaina any Rosia rehefa tsy hita tabilao tamin'izany nandritra ny 36 taona.
Volana vitsivitsy taty aoriana, niaritra filaharana lava dia lava hividy sary fanangona sarotra hita ireo mpanohana mientanentana, mba ho fahatsiarovana ity fotoana manatantara amin'ny baolina fandaka peroviana ity.
Tamin'ny novambre 2017, aoka izany ny fifaliana sy ny fientanentanana hany ka tsikaritry ny Ivontoerana Mpamantatra ny Fihovitry ny Tany ao Però fa nisy fihovitry ny tany kely tamin'ny fotoana nampidiran'ny mpilalao baolina fandaka Jefferson Farfán indrindra ny baolina voalohany tamin'ny ekipa neo-zelandey tao amin'ny Stady Nasionalin'i Lima.
Nanambara ny Ivontoerana Mpamantatra ny Fihovitry ny tany ao Però, sampan-draharaham-panjakana misahana ny famantarana mialoha ny voina voajanahary goavana hoe :
El júbilo unánime de los aficionados que se encontraban en el Estadio Nacional hicieron vibrar el suelo de Lima y los acelerómetros registraron amplitudes del sacudimiento del suelo equivalentes a un microsismo, de magnitud aproximada de 1 (imperceptibles para las personas) en la escala de Richter.
Nampihovitra ny tanin'i Lima ny fifaliana niraisan'ny mpanohana tao amin'ny Stady Nasionaly ka voamariky ny fandrefihalaky ny elanelam-pihovitra mitovy amin'ny horohorontany bitika, manana ny refy 1 (tsy mbola tsapan'ny olombelona) eo amin'ny refy Richter.
Tamin'ny 22 marsa 2018, namoaka ny album sary (karatra) fanangona hofanomezam-boninahitra ireo peroviana mpilalao baolina fandaka amin'ny endrika roa ny orinasa italiana Panini : ny iray album manokana amin'ny taratasy henjana ary eo ihany koa ny sary fanangona amin'ny endrika mahazatra.
Lany tao anatin'ny ora vitsivitsy ny fonony amin'ny taratasy henjana. mandritra izany fotoana izany, miha-tsy hita eny an-tsena tao anatin'ny andro vitsivitsy ny sary natao ifanakalozana, fantatra ao Però amin'ny anarana hoe “figuritas”:
[…] Panini no esperó la gran acogida del álbum por lo que el stock seleccionado para nuestro país quedó corto en tan solo unos días. No pasó ni una semana para que el coleccionista peruano se quede sin oportunidad de conseguir este tradicional cuadernillo de la Copa del Mundo.
[…] Tsy nihevitra hahita tinady lehibe tahaka izao ny Panini, hany ka lany tao anatin'ny andro vitsivitsy monja ny tahiry hoan'ny firenentsika. Tsy ampy herinandro akory dia tsy mahita varavaranam misokatra hahazoana ity boky mahazatra amin'ny mondialy ity intsony ny peroviana mpanangon-tsary.
Nampiketrona ireo mpankasitraka baolina fandaka peroviana niandry tao anaty filaharana lava dia lava hahazoana ny sary notadiavina izany fahalaniana haingana sy tsy nampoizina izany :
Hay un causa haciendo cola por el álbum con un álbum en la mano y hasta paquetón JAJA #PERU
Álbum Panini: hinchas de la bicolor se amanecieron y forman largas colas para comprarlo [FOTOS] en @TuitDepor > https://t.co/ijevIdCkN2 pic.twitter.com/hOS4aHspiz
— Eduardo (@Eduardo_Combe) 22 de marzo de 2018
Io misy tovolahy eo am-pilaharana, mitazona ny gazetiboky amin'ny tanany sy fehezana sary fanangona. TPT!
Gazetiboky Panini : nifoha maraina nanao filaharana lava dia lava hahazoana azy ny mpanohana ny ekipam-pirenena peroviana.
Tamin'ny fiandohan'ny volana avrily 2018, nanambara ny fahatongavan'ny entana vaovao ao anatin'ny andro vitsivitsy ny orinasa. Niaiky ny solontenan'ny Panini, Óscar Pizarro, fa niteraka tsy fisian'entana tsy nampoizina teny amin'ny toeram-pivarotana ny tinady goavana amin'ny sary fanangona sy gazetibokin'ny mondialy ao Rosia taona 2018.
Nandritra ny antsafa tamin'ny radio, nosoritan'i Pizarro fa 140 taonina amin'ny fehezan-tsary fanangona no lafo tao anatin'ny folo andro. Raha ampitahaina amin'ny nivoaka tamin'ny mondialy FIFA tany Brezila tamin'ny taona 2014 dia 40 taonina ihany no lafo tamin'izany.
Nahatsikaritra ny tinadin'ny mpividy ihany koa ny Pizarro vao ny andro voalohany nivarotana azy monja, rehefa nilaza ny Panini fa nahalafo gazetiboky anelanelan'ny 5.000 ka hatramin'ny 10.000 tao anatin'ny 27 minitra monja :
Nosotros habíamos calculado el primer lote, que fue el doble de lo que se vendió en toda la campaña anterior, para que dure dos semanas, pero duró horas. Tengo la data de que del 22 de marzo al 2 de abril de 2018 ya se habían colocado en el mercado 140 toneladas de sobres. En solo 10 días, hay una situación de escasez porque no había manera de calcular esto.
Efa nampitomboinay avo sasaka noho ny teo aloha ny isan'ny andiany voalohany, noheverina haharitra tapabolana izany, nefa dia lany tao anatin'ny ora vitsivitsy monja. Nolazaina aho fa nanomboka ny 22 marsa ka hatramin'ny 2 avrily 2018, fehezan-tsary 140 taonina no lafo. Lany tao anatin'ny 10 andro monja ny entana, ary tsy nisy fomba nitsinjovana izany mialoha.
Tamin'ny fanombohan'ny volana avrily, namoaka izao fanambaràna manaraka izao ny Panini tao amin'ny Facebook :
La gran demanda que ha generado la participación de Perú en el Mundial ha logrado un nuevo hito en la historia de ventas de álbumes mundialistas en el país, 36 años de espera han superado largamente la demanda generada y estamos orgullosos de ser parte de una hinchada tan comprometida con la selección.
Niditra dingana vaovao teo amin'ny varotra gazetiboky tao amin'ny firenena ny tinady nateraky ny fandraisana anjaran'i Però amin'ny Mondialy, nisongona izany tinady naterany izany ny 36 taona niandrasana ary te-hirehareha izahay tafiditra ho ao anatin'ny vondrona mpanohana manolo-tena fatratra ho ao amin'ny ekipam-pirenena.
Niserasera tao amin'ny Twitter haneho ny heviny momba ny gazetiboky Panini sy ny fahadisoam-panantenany ireo peroviana mpanohana heniky ny rehareha :
Panini: este es el cronograma de abastecimiento de figuritas para Perú | https://t.co/6Xy2kqqXpq via @Publimetrope
— gerardolipe (@gerardolipe) 11 de abril de 2018
[Nanazava ny solontenan'ny Panini ao Però fa ny tsy fisian'ny sary dia noho ny “tinady betsaka tsy nampoizina” ary dia nanondro ny fahatongavan'ny entana vaovao izy.]
Panini : Ny tetiandron'ny fahatongavan'ny sary fanangona ho an'i Però.
Nizara ny fientanentanan'ny peroviana amin'ny fandraisana anjaran'ny ekipam-pireneny amin'ny mondialy FIFA 2018 ao Rosia ihany koa ny mpanohana baolina fandaka avy amin'ny firenen-kafa :
Tengo como 25 años de hacer el álbum #Panini y es la primera que pego una postal de un jugador de #Peru@renatotapiac Felicidades peruanos, éxitos en el mundial @TuFPFpic.twitter.com/ogrTo97zks
— Alex Carrillo (@Alex_Carrillo_R) 12 de abril de 2018
Tao anatin'ny 25 taona nanagonako ny gazetiboky Panini, sambany aho nandraikitra sarin'ny mpilalao peroviana. Arahabaina ny vahoaka peroviana, Mahombiaza amin'ny mondialy !
Ny hafa nieritreritra ny hampiasana ny fientanentanana ho fampiroboroboana ny famakian-teny :
Y si fuera obligado leer un libro antes de poder comprar un Album Panini? Quizas nuestro Perú empezaría a tener mejores oportunidades!
— David Mendoza (@DavidMendoza_AL) 12 de abril de 2018
Raha tsy maintsy ataon'ny rehetra ny mamaky boky iray moa vao mahazo album Panini? Angamba mety hahita varavarana misokatra tsaratsara kokoa ity Però [mamin]tsika ity !
Ny hafa nizara ny hafaliany manangona ireny sary rehetra ireny hamenoana ny gazetibokiny :
Álbum Panini: la emoción por el fútbol traducida en figuritas https://t.co/zqcBbDjLqJ vía @elcomercio_peru
— Ricardo Hinojosa Lizárraga (@santoschilcano) 21 de abril de 2018
[Mandany vola sy fotoana ny mpanohana baolina fandaka hamenoana album Panini. Mikarakara fifanakalozantsary ho an'ny mpiasany ny orinasa maro. Anio, misy fivoriana ao amin'ny Fihaonan-dalan'ny Kolontsaina ao San Miguel.]
Album Panini : Ny fitivana baolina fandaka ao amin'ny sary fanangona
Raha mivadika ho horakora-pifaliana ny fanangonana albums Panini, dia zara raha niteraka fihetseham-po ny fametraham-pialan'ny filoha teo aloha Pedro Pablo Kuczinsky (fantatra amin'ny fanombohan'anarana PPK) amin'ny asany tamin'ny 21 marsa, iray andro mialoha ny fivoahan'ny album voalohany :
Medios extranjeros: ¡CRISIS TOTAL en Perú por renuncia del presidente!
En Perú:
-Oye, renunció PPK.
-Ah. Y a qué hora juega Perú el viernes?
-A las 7:30
-Tienes el álbum?
-Panini? #GoodMorning#MortalesTrogloditas#WantanLoversToo???— Frank Alexis (@Frankeate) 23 de marzo de 2018
Fampitam-baovao ivelany : KRIZY TANTERAKA ao Però noho ny fialàn'ny Filoha !
Ao Però :
-Fantatrao ve fa niala i PPK.
-Hay. Ary amin'ny firy moa no milalao i Però amin'ny zoma ?
-Amin'ny 7:30
-Nahazo ny album ve ianao?
-Panini ?
Situación actual del Perú:
«¿Qué opinas de la renuncia de PPK?»
– «Ya tengo mi álbum panini»— andrealozada192 (@andrealozada192) 23 de marzo de 2018
Zavamisy ankehitriny ao Però:
– Ahoana ny eritreritrao amin'ny fialàn'i PPK ?
– Efa nahazo ny gazetibokiko Panini aho.
Ary tsy diso anjara ihany koa fahatongavan'ny sary-sy-soratra :
Álbum Panini del Mundial Rusia 2018: memes tras su lanzamiento en Perú | Foto 1 de 10 | Internacional | Fút https://t.co/n5IwwgSJDP#OKEit
— @AquelCabron (@aquelcabron) 6 de abril de 2018
Album Panini amin'ny Mondialy Rosia 2018: sary-sy-soratra taorian'ny fivoahany tao Però | Sary 1 amin'ny 10 | Iraisampirenena | Football
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...