Bahrain: Naato Iray Andro Ny Gazety Akhbar Al Khaleej

(Marihina fa tamin'ny 23 Jona 2009 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Naato iray andro tamin'ny Alatsinainy, 22 Jona, ny gazety tranainy indrindra ao Bahrain, Akhbar Al Khaleej , taorian'ny namoahany lahatsoratra iray mitsikera ny sasany tamin'ireo mpitondra Iraniana ary nilaza fa manana fiaviana Jiosy i Mahmoud Ahmadinejad. Noraisina ny fepetra mba hisorohana ny korontana eo amin'ireo Shiita maro an'isa ao Bahrain.

Naneho ny tsy fahafaliany i Yagoob :

Cette mesure arrive comme une attaque de plus contre la liberté d'expression à Bahrein, après une vague de censure du web visant à “nettoyer le web”, qui a opportunément bloqué tous les sites de l'opposition, de pornographie, de jeux en ligne, des sites anti-islamiques, des serveurs proxys et Google Translate.  Le bras toujours plus long de la censure a atteint les médias traditionnels !

Le plus étrange et le plus révoltant c'est qu'il s'agit de Akhbar Al-Khaleej, un journal qui est plutôt pro-gouvernemental. […] Qu'est-ce que cette espèce de chat sans griffes aurait fait pour hérisser les poils de quelques barons du régime ??? Seul le temps nous le dira, mais pour le moment cette journée restera marquée d'une pierre noire dans l'histoire de Bahreïn et dans ses efforts pour devenir un pays démocratique…

Natao toy ny fanafihana indray ny fahalalaham-pitenenana ao Bahrain ity fepetra ity, taorian'ny andiana sivana natao tamin'ny aterineto mba “hanadiovana ny habaka”, izay nahatonga ny fanakanana ireo tranonkala rehetra toy ny an'ny mpanohitra, ny sary mamoafady, ny lalao antserasera, ireo tranonkala anti-Islamika, ny milina proxy ary ny Google Translate. Nahatratra ny fampahalalam-baovao mahazatra ihany koa ity sivana lava tànana ity!

Ny tena mahagaga sy manafintohina indrindra anefa dia ny Akhbar Al-Khaleej no tratran'izany, gazety iray izay mpomba ny governemanta kokoa. […] Inona no nataon'ity saka tsy mandrangotra ity hampitsangam-bolo ireo olona sasany tao amin'ny fitondrana ??? Ny fotoana ihany no hilaza izany, fa amin'izao fotoana aloha dia ho voamarika eo amin'ny vato mainty amin'ny tantaran'ny Bahrain sy amin'ny ezaka nataon'ny firenena mba ho lasa demaokratika ity andro ity…

Tsy nanaiky ity fanapahan-kevitra ity ihany koa i Mahmood :

Ce n'est pas que j'aime Akhbar Al-Khaleej, et rien ne serait plus loin de la vérité que ça, mais mes sentiments envers ce journal décrépit, son rédacteur en chef et certains de ses soit-disant journalistes, sont complètement inexplicables, mais il n'aurait pas dû être interdit pour quelque raison que ce soit, rendue publique ou inavouée un quelconque organe du gouvernement, imposant ainsi cette dernière mesure de limitation de la liberté d'expression. […] D'après mes sources cette interdiction serait due à un article très sévère écrit par Mme Sameera Rajab, une députée tristement connue du Conseil de la Choura, qui n'est pas étrangère à ce genre de controverses. Elle est détestée par tout un essaim de têtes enturbannées à Bahrein à cause de ses prises de position et critiques spécialement contre les Shiites et leurs croyances. Ce n'est pas un secret non plus qu'elle déteste le régime iranien et qu'elle avait des sympathies pour le régime irakien de Saddam Hussain.

Malgré tout, suspendre un journal à cause d'une chronique est une gifle à la liberté d'information, que le Ministère s'est donné beaucoup de peine à promouvoir – bien que paradoxalement, il soit passé maitre dans la fermeture des sites web.

Tsy hoe tiako ny Akhbar Al-Khaleej akory, ary tsy misy zavatra hafa lavitra kokoa amin'izany noho ny fahamarinana, saingy mihena ny fitiavako an'ity gazety tranainy ity, tsy hita mihitsy izay hanazavana ny toniany sy ny sasany amin'ireo lazaina fa mpanao gazety ao aminy fa tsy tokony ho norarana imihitsy izany na inona antony na inona, na ambara ampahibemaso na afenina momba izay sampana ao amin'ny governemanta, ary nahatonga ity famerana ny fahalalaham-pitenenana ity. […] Araka ny loharanom-baovao azoko, ity fandraràna ity dia vokatry ny lahatsoratra iray henjana nosoratan'i Ramatoa Sameera Rajab, solombavambahoaka iray malaza ratsy ao amin'ny filankevitra Shura, izay tsy vahiny intsony amin'ny karazana tranga mampiady hevitra tahaka izao. Mankahala azy avokoa ireo misarondoha rehetra ao Bahrain noho ny toerana misy azy sy ny tsikera nataony manokana manohitra ny Shiita sy ny finoany. Tsy zava-miafina ihany koa ny fankahalany ny fitondrana Iraniana sy ny fankasitrahany ny fitondrana Irakiana Saddam Hussain.

Na izany aza, ny fampiatoana ny gazety iray noho ny matoandahatsoratra dia felaka ho an'ny fahalalahan'ny fampahalalam-baovao, ary tena sahirana tamin'ny fampiroboroboana izany ny Minisitera – na dia mifanohitra amin'izany aza ny tena zava-misy dia ny fanaovan'izy ireo ho asa fialamboly ny fanakatonana ny tranonkala.

Na izany aza, tsy ny bilaogera rehetra akory no tsy faly tamin'ny fampiatoana; faly tamin'izany i Green Oasis :

تستحق الجريدة هذا الاغلاق لانها مشاركة في نشر هذه الاصوات النشاز […] شكراً لوزارة الإعلام على الاغلاق

Mendrika ny hakatona ity gazety ity satria mandray anjara amin'ny famoahana ireo feo mivalana. […] Misaotra ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao noho ity fanakatonana ity.

Fanavaozam-baovao: tsindrio eto raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny fanadihadian'i Yagoob mikasika ny fomba nanafoanana ny fampiatoana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.