
Sary avy amin'ny fahatsaram-pon'i Hazara World. Vahoaka ao amin'ny faritanin'i Daikundi, Afghanistan manatrika lanonana amin'ny fetin'ny Nawruz.
Ho an'ireo maro amin'ny faritra Eorazia izay manjaka ny teny persiana sy tiorkika, tsy manamarika ny fanombohan'ny lohataona fotsiny ny 21 marsa fa tena Taombaovao mihitsy.
Ao Afghanistan, anefa, tsy ny olon-drehetra no mankalaza ny fotoana, ary ny fototra mahajentilisa ny fety no antony isarahan'ny vondrona samihafa hevitra.
Ankoatra izany, ny toetrandro mihamafana kokoa di mitondra azy ity mankany amin'ny herisetram-piokoana nentim-paharazana.
Tamin'ity taona ity ny Filoha Afghan Ashraf Ghani niezaka nitsapa ny fanafihana tamin'ny alalan'ny fanavaozana sy fanatevenana tolo-pandriampahalemana amin'ny Taliban. Saingy mbola tsy nisy ny marika fa vonona ny hanasonia hifampiresaka ny vondrona.
Nawruz-nao, fa tsy Nawruz-ko
Tondraka firariantsoa sy fanantenana ary fahamarinan-toerana ny randram-baovaon'ny media sosialy rehefa tonga ny Nawruz (azo tononina koa hoe Nowruz sy Noruz) tamin'ny volana lasa. Mbola mitohy tsara mankaty amin'ny volana avrily ny fankalazana ny miraalina lohataona izay notandreman'ireo Zoroastriana taloha.
So great to see fellow citizens coming all the way from south of the country for #nowruz, dancing & playing traditional sports at the city squares in #Mazar (at 10pm) with others flying sky lanterns. May the new year shower this country with peace, security, empathy & solidarity pic.twitter.com/lhS1j4WcBc
— Tahir Qadiry (@tahirqadiry) March 20, 2018
Mahafinaritra ny mahita ny mpiray tanindrazana mizotra avy any atsimon'ny firenena hankalaza ny Nowruz, mandihy sy milalao ny fanatanjahatena nenti-paharazana ao amin'ny kianjan'ny tanàna ao Mazara ( amin'ny folo ora alina) miaraka amin'ireo arendrina manidina. Enga anie ny taombaovao hanondraka ity firenena ity amin'ny fandriampahalemana, filaminana, fifankahazoana ary firaisankina.
May the coming year take you on the path to glory where all your endeavors become glorious and your life becomes a success story. Happy #Nowruz pic.twitter.com/dxeglm5zdi
— Saleha Soadat (@SalehaSoadat) March 20, 2018
Enga anie ny taona ho avy hitondra anao ho any amin'ny lalan'ny voninahira ka hamirapiratra avokoa ny lanitrao ary ho tantaram-pahombiazana ny fiainanao. Arahaba Nowruz!
NawRuz Mubarak, NawRuz Peroz. Happy New Year to all those who celebrate the first day of Spring as the first day of New Year. #Afghanistan #Kurdistan #Iran #Tajikistan
— Zalmay Khalilzad (@realZalmayMK) March 20, 2018
NawRuz Mubarak, NawRuz Peroz. Arahaba nahatratra ny taona vaovao ho an'ireo rehetra mankalaza ny andro voalohany amin'ny lohataona ho andro voalohany tamin'ny taona.
This is the Afghanistan that could be – an Afghanistan of color, music, and smiles.
This is a village in Daikundi, celebrating Nawruz.
(Pics by Hazara World, via . @dailyetilaatroz ) pic.twitter.com/d0FcOWoS33— Mujib Mashal (@MujMash) April 1, 2018
Izao no tokony ho Afghanistan – Afghanistanan'ny loko, hira ary tsiky.
Indro ny tanànan'i Daikundi, mankalaza Nawruz.
(Sary avy amin'ny Hazara World)
Na izany aza dia kely ihany ny fotoana hankalazan'ireo hiringiriny ara-pivavahana ny fety, ary dia mbola lasa sehatra vavolombelon'ny fisarahan'ny firenena sy ny fiarahany, indray ny Facebook.
Ao amin'ny lahatsoratra malaza iray, olona fanta-dazan'ny fandalana ny mahazatra Hiatu Adden Sahebi niangavy ny mponin'i Mazar-i-Sharif tamin'ny teny mafy indrindra tsy hanamarika ny Sizadabar, andro faha-13n'ny Nawruz, tamin'ny 2 Avrily.
سنت سیزده بهدر همان کار گوسفندان در چراگاه است. دشت شادیان مزار را به مکان فحشا و شرابخوری مبدل نسازید تا در غضب الهی گرفتار نشوید. از مولویان شهر خواهش می کنم بیاید دست به دست هم داده از فحشا جلوگیری کنیم
Ny mitandrina ny Sizdabadar dia tahakany ondry iray mirenireny eny amin'ny bozaka. Aza mamadika ny tanihain'i Shadyan ao Mazar ho lasa fihaonan-dalan'ny fahavetavetana ka hamandrikany tenany ho ao anatin'ny ozon'andriamanitra. Miangavy ny Mullah ao an-tanàna [Mazar-i-Sharif] aho hisoroka izany fahavetavetana izany.
Araka ny mahazatra anaefa dia manararaotra ny fihafanan'ny toetrandro ny fianakaviana amin'ny alalan'ny filasiana eny amin'ny havoana sy manao fety (fihinanan-kanina).
Taona sarotra hafa indray eo aloha
Tafahitsoka tao anaty voina indray ny Nawruz tamin'ity taona ity, rehefa nisy olona iray nanao vivery ny ainy nanapoaka baomba ny tenany teo akaikin'ny toerana masina Shiita iray tao Kabul tamin'ny 21 marsa, izay niteraka fahafatesan'olona 32 farafahakeliny ary maro hafa naratra.
Even on #Nowruz, innocent celebrating #Afghans are targeted 4 trying to live a basic, normal life, despite so much chaos, violence & poverty imposed on them. #Casualties higher than reported here, thanks to #Taliban 4 their direct or indirect role in this & so many other attacks. https://t.co/3iGHNaEudT
— M. Ashraf Haidari (@MAshrafHaidari) March 21, 201
Eny fa na dia amin'ny andron'ny Nowruz aza, dia mbola lasibatra ihany ny Afghan tsy manantsiny miezaka ny hiaina fiainana fototra sy tsotra, na dia eo aza ny korontana maro, ny herisetra sy ny fahantrana noterena hozakain-dry zareo. Betska kokoa noho izay notaterina ny faharatrana, ankasitrahana ny Taliban tamin'ny anjara toerana mivantana sy ankolaka tamin'io zavatra io sy ireo fanafihana hafa maro dia maro.
Ny vondrona mitam-piadiana ISIS no nilaza ho tompon'antoka tamin'ny fanapoahana baomba, tamin'ny filazana fa ny Shi’ita no nokendrena tamin'iny.
Ny lohataona ihany koa no fotoana ahitana ireo Taliban manamaro sy manamafy ny fanafihana ny governemanta tohanan'ny Tandrefana, ka ny sivily no tena voasaringotra ao anatin'ny fifampitifirana.
Tamin'ny faran'ny volana febroary ny Filoha Afghan Ashraf Ghani niezaka nanolo-tanana ny Taliban tamin'ny alalan'ny fanaovana tolo-pandriampahalemana tsy mbolanatao teo aloha izay ahitana ny fahafahan'ny vondrona ho afa-manangana ny antoko politikany manokana.
Natao “tsy nisy fepetra mialoha” ny tolotra fandriampahalemana ary nametraka filaminana ho an'ny Taliban sy ny fianakaviany raha manaiky tsy hitondra fitaovam-piadiana ny vondrona.
Hofafana amin'ny lisitra mainty tazonin'ny Firenena Mikambana sy i Etazonia ihany koa ny anaran'ireo mpikambana Taliban amin'ity tolotra fifanarahana ity.
Na izany aza anefa, mbola andrasana ny valinteny ofisialy amin'ity tolotr'i Ghani ity avy amin'ny vondrona izay nanalamaka madiodio an'i Afghanistan teo ambany fifehezany na dia teo aza ny fivakivakisany.