Tantara tamin'ny 07 Avrily 2018
Global Voices Any amin'ny Zaikabe Iraisam-pirenen'ny We Media
Ity no Zaikabe Iraisam-pirenen'ny We Media faharoa karakarain'ny Media Center an'ny Ivontoeran'ny Fanaovangazety Amerikana, izay hatao any Lôndôna. "Fitokisana" no lohahevitra hodinihina amin'izany, koa tongava ary ampio izahay hitady ny valin'ireo fanontaniana maro, na hamerina handrafitra ny adihevitra amin'ny fametrahana fanontaniana vaovao!
Tontolo Iainana: Ireo Fanambin'i Shina miala amin'ny Loto ka hatrany amin'ny Tafiodrivotra Mahery
Mandinika ilay fitenenana milaza fa ny fomba fiainan'ny sarangan'olona ambony ao andrefana dia miaraka amin'ny tontolo madio i Dale Wen rehefa nanoratra tao amin'ny China Dialogue; nanamarika fa mila mandinika ny maodelim-pandrosoany i Shina.
Davos: Topimaso sy Fandraisana Anjara Amin'ny Alàlan'ny Lahatsary
Hatao ny 23 Janoary ka hatramin’ny 27 Janoary ny fihaonambe fanaon'ny World Economic Forum (Zaikabe momba ny Toekarena Eran-tany) hivorian'ny mpitarika ara-pôlitika sy ara-barotra [...] afaka mandray anjara amin'ity zaikabe ity ny olon-tsotra amin'ny fandrosoana ny heviny mba hahatonga ny tontolo ho toerana tsara kokoa.
Ahazoana Lesona Lehibe Amin'ny Fanatsarana ny Kalitaom-Baovao Ny Fitsongoana Dia ny Fitsabahana An-tseraseran'i Rosia
GV no voalohany namoaka porofo fisian'ireo mpandoto rindrina sy fambolena raboto miasa amin'ny fomba mirindra hamily ny resaka eny anivom-bahoaka, izay nametraka ny lasitra tamin'ireo fitantarana maro nanaraka izany.
Ny Zon'Olombelona no Sorona Amin'ny Fahombiazana Ara-Toekarenan'i Singapaoro,’ Hoy Ilay Mpikatroka Han Hui Hui
"Manantena aho fa tsy hanaraka ny maodely singapaoro ny firenena manerana izao tontolo izao. Manandràta teny ary manàna sendikàn'ny mpiasa mahaleotena sy sendikàn'ny mpianatra satria tsy manana izany izahay ao Singapaoro. "
Nahoana no Sady Mitondra Fifaliana no Mitondra Hirifiry Amin'i Afghanistan ny Lohataona
"Arahabaina nahatratra ny Nawroz daholo. Enga anie ity taona ity ho taonan'ny fandriampahalemana, firindrana, ary ho fiafaran'ny fangirifiriana. Hanjaka anie ny fandriampahalemana. Ôptimista isika amin'izany."