09 Marsa 2018

Tantara tamin'ny 09 Marsa 2018

Skypecast: Andrea Monti Avy Ao Amin'ny ICTlex

  09 Marsa 2018

Nilaza izy fa tokony tsy hieritreritra intsony  momba ny sehatra antserasera ho "zavatra tsy tena misy" ny olona raha oharina amin'ny sehatra ara-batana, satria sahala ny zo sy ny fahalalahana ivelany sy anatin'ny aterineto raha araka ny lalàna .

Kamerona: Ahiahy Amin'ny Fahalalahana

  09 Marsa 2018

Na dia tsy fifantohan-tsain'izao tontolo izao aza i Kamerona, manontany ny tena fisian'ny fahafahana eto amin'ity firenena Afrikana ity ny sasany amin'ireo lahatsoratra bilaogy vao haingana.

Japana : Fitomboana Tahanà Famonoantena Be

  09 Marsa 2018

Nandritra iny faran'ny herinandro iny, nitatitra resaka trangana famonoantena maro ny filazambaovao Japone izay misy ifandraisany amin'ny fampiasàna "gaz de sulfure d'hydrogène", tamin'ny fanomezany famaritana amin'ny antsipirihany ny singa ao anatiny sy ny fomba nampiasana azy, hatramin'ny mombamomba ireo niharan-doza ihany koa. Tena nipariaka be sy namendrofendro be ilay fanadihadiana vao nivoaka tsy ela akory izay, hany ka notakian'ny Japan Suicide Prevention Association (Fikambanana Japone Miady Amin'ny Famonoantena) ny mba hitandreman'ireo vondrona filazambaovao misimisy kokoa amin'ny famoahana ireo fanadihadiana ataony