Skypecast: Atoa Brown Avy Any Singapaoro

(Marihina fa tamin'ny 7 Jona 2005 no nanoratana ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanana fifanakalozan-kevitra feno tsikanikany niaraka tamin'ilay “enfant terrible” , Lee Kin Mun, na i Atoa.Brown any Singapaoro aho.

Ny lohahevitra dia ny hoe: Ahoana ny fomba nanombohany ny Tsikombakomba Singaporeana Lehibe , ny fihaonamben'ny bilaogera ” Singlish ,” (ny teny Anglisy no iray amin'ireo fiteny miisa 4 ofisialy any Singapaoro miaraka amin'ny Shinoa Mandarin, Tamil ary Malay, saingy tia mampifandray izany rehetra izany miaraka amin'ny fiteninm-paritra maromaro hafa toy ny Hokkien sy ny Kantonezy ny mponina ao an-toerana), ny rakipeony izay matetika kentsokentsona sy tsy manaja, ny fikasany handefa ny rakipeo Star Wars amin'ny teny Singlish miaraka amin'ilay mitondra endrika masiaka iray hafa, Mystery Tan Lines . Ankoatra ny hadalàna, dia manontany lava momba ny sivana sy ny fanivan-tena, ny fanakatonana ny bilaogy AcidFlask, ary ny fomba nanovan'ny bilaogy ny tontolon'ny haino fampitam-baovao tany Singapaoro tamin'ny fomba tsy azo nosakanana ihany koa i mr.brown.

Ny hafatro lehibe indrindra? Tsy voatery ho matotra foana ianao handresena lahatra ny olona!

Henoy eto! (mp3, 35 minitra, 30MB)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.