Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Kambodza: Nomem-boninahitra Tamin'ny Loka Ilay Afaka Tamin'ny Fanandevozana Ara-nofo

(Tamin'ny 22 Oktobra 2009 no nanoratana ny lahatsoratra  teny Anglisy)

13 taona i Sina Vann raha tonga tany Kambodza avy any Vietnam mba hanao vakansy araka ny noeritreretiny. Namidy ho andevo ara-nofo anefa izy, ary tao amin'ny trano iasan'ny mpivaro-tena izy no niaina nandritra ny roa taona. Afaka izy rehefa nikarakara bemidina tao amin'ny trano iasan'ny mpivaro-tena an'i Vann i Somaly Mam, mpikatroka mpanohitra ny fanandevozana sady solontenan'ny Orina Mpanasoa Somaly Mam. Mpikatroka miaraka amin'ny Orina Mpanasoa Somaly Mam i Vann ankehitriny, manampy ireo olona afaka tamin'ny fanandevozana sy ireo izay mbola miasa any amin'ny tranon'ny mpivaro-tena ihany koa izy.

Noho ny asa nataon'i Vann dia nomem-boninahitra tamin'ny Loka Frederick Douglass izy. Ny Loka Frederick Douglass “Manome voninahitra ny zotom-po goavana amin'ny finiavan'ny olombelona ary mandrisika ny ankamaroan'ireo afaka tamin'ny fanandevozana amin'izao andro izao mba hanampy ny hafa ho amin'ny fahafahana.”

Hita ato amin'ity lahatsary ity ny tantaran'i Vann maromaro:

http://vimeo.com/moogaloop.swf?clip_id=6955024

Ny Mpandresy tamin'ny Loka Frederick Douglass Taona 2009 – Sina Vann avy amin'ny Free the Slaves ao amin'ny Vimeo.

Nohitarin'ny Firenena Mikambana herintaona ny fe-potoana iasan'izy ireo izay mamaha ny olan'ny zon'olombelona ao Kambodza. Araka ny nohazavain'ny The Mirror, ny iraka manokan'ny Firenena Mikambana, tamin'ny Vaomieran'ny Zon'olombelona:

expressed concerns about the human rights situation in Cambodia. According to his report, the rule of law in Cambodia is weak…Also, he mentioned the case of a Sam Rainsy Party parliamentarian – from the biggest opposition party in Cambodia – Ms. Mu Sochua, who had been sentenced by a court, controlled by the government of the Cambodian People’s Party, to lose her case unjustly, because she had dared to protest against the powerful in Cambodia.

raha naneho ny ahiahiny mikasika ny toe-draharahan'ny zon'olombelona ao Kambodza. Araka ny tatitra nataony, goragora ny fanarahan-dalàna ao Kambodza … Ankoatra izay, nanamarika ny raharahan'ilay parlemanteran'ny Antoko Sam Rainsy izy – avy amin'ny antoko mpanohitra lehibe indrindra ao Kambodza – Ramatoa Mu Sochua, izay nogadrain'ny fitsarana fehezin'ny governemantan'ny Antokom-bahoaka Kambodziana, mba ho resy tamin'ny fomba tsy ara-drariny satria sahy nanohitra ireo mahery tao Kambodza.

Nandrisika ny iraka manokana mba tsy hanadino ireo vehivavy sy ankizy izay mbola tavela any amin'ny fanandevozana ara-nofo any Kambodza ny hafa, ary nanamarika fa tsy maintsy atao laharam-pahamehana hatrany ny zon'olombelona na dia misy aza ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona hafa, toy ny fahalalahana maneho hevitra,

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.