(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Martsa 2009)
Nandray kihon-dàlana hafa indray ny olana politika misy ao Madagasikara , efa nitarazoka hatramin'ny Janoary lasa eo, miaraka amin'ny feom-basysy entona mandatsa-dranomaso, satria nifandona nanerana an'Antananarivo renivohitra ny polisy sy ireo mpanao hetsi-panoherana.
Hatramin'ilay fihaonana voalohany eo teo amin'ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina efa maherin'ny herinandro iray izay, nitsefotra ireo fanantenana hisian'ny vahaolana malaky, nitondra ho amin'ny fiantsoana fitokonambe tsy vafetra manerana ny firenena ny tsy fitoviana hevitra momba ireo teboka hifampidinihana
Mitatitra ny XinHua sy Gabonews fa ny 2 Martsa, andro iray taorian'ilay antso hanaovana fitokonana, olona vitsy monja, menamenatra (fr) no nandray anjara. Na izany aza, araka ny fanazavan'ny Courrier Internationala dia nantenaina haka fijery henjana kokoa (fr) ireo mpanohitra, taorian'ny fahatapahan'ny fifampidinihana.
Mitatitra ilay tranonkala Malagasy Topmada hoe tao anatin'ny kabary nataony ho an'ny rehetra tamin'ny 9 ora maraina, ny andron'ny 3 Martsa, niantso ireo mpanaraka azy Rajoelina hitadidy ireo orinasa tsy nanaraka ny antso fitokonana nataony (fr):
Hoy i Rajoelina :
“On connaîtra à partir de demain (mercredi) les sociétés et entreprises qui roulent pour Ravalomanana”
Ny 3 Martsa, nanambara ny Radio Antsiva, iray tamin'ireo fampielezampeo nasionaly vitsivitsy, hoe mety hampitsahatra ny fandaharany izy afaka 24 ora latsaka, niteraka ny fahatahorana herisetra vaovao indray. Ny ampitson'io, nitatitra koa ireo bilaogera fa nangina tsy nandrenesam-peo nandritra ny ora vitsy fampielezampeom-panjakana (RNM). Marobe ireo bilaogera no nitatitra ihany koa ny fisianà miaramila maro tao afovoan-tanànan'Antananarivo.
Nitatra nanerana ny tanàna ny herisetra tamin'ny 4 Martsa, ka bilaoera maro no nitaitra fisiana korontana, tao amin'ny Twitter sy Facebook, arakaraky ny zavatra niitranga tany amin'ny manodidina azy ireo tsirairay avy. Nisy tatitra fanamafisana nakambana avy eo tao amin'ny sarintany firaketana krizy natao ho an'i Madagasikara tao amin'ny Ushahidi mba ho fanamarinana. Ireto ambany ireto ireo tatitra ho an'ny andron'ny 4 Martsa tao Antananarivo:

Tatitra Ushahidi momba an'i Madagasikara (4 Martsa)
Ny sasany tamin'ireo fanehoankevitra teny anaty tontolon'ny bilaogy sy twitter Malagasy dia samy mahalaza tsara ny halehiben'ny korontana.
Thierry Ratsizehena nanoratra tamin'ny alàlan'ny Facebook Mobile (fr):
j'ai un mal de tete horrible apres avoir inhale une partie de la fumee des grenades lacrymogenes en milieu de journee
Andry Rarivoson manampy (fr):
ils ont voulu balancer une voiture sur les militaires. en ce moment, les gens sont en train de prendre les pieces de la voiture abandonnée
Re_hita mibitsika sy maka sary ny korontana tao Behoririka, distrikan'ntananarivo (fr):
pas moyen de rentrer à la maison behoririka est un champ de bataille
Manampy izy (mg):
nisy mpianatra nendahana ka niboridana tanteraka tao ceg antanimena s/radio don bosco
Tahina indray tao Ampefiloha, distrika iray hafa, fony izy nandefa ity:
Misy feom-basy heno aty Ampefiloha saingy tsy fantatro hoe avy aiza no fiaviany
Ariniaina nandefa vao maraina ny zavatra mety ho tsapan'ny maro rehefa nifarana iny andro iny:
Tsapako Ho Toy Ny Any Anaty Sarimihetsika Miresaka Ady Aho. Tsy nety nino aho hoe tena izy ity. Tena nivarahontsana aho.