Tokony Hitovy Kokoa Amin'ny Global Voices Izao Tontolo Izao

Raha niomana hisidina hiala an'i Sri Lanka aho taorian'ny Fihaonambe 2017, tsy vitako ny tsy hieritreritra fa tokony hitovy kokoa amin'ny Global Voices izao tontolo izao…

  • Tokony ho toerana feno fitiavana sy fangorahana handraisana an-tànan-droa ireo hevitra mitandro ny fandriampahalemana.
  • Tokony hampirisika ireo vondrompiarahamonina tsy dia voasolo tena firy hihetsika sy hitondra ny teniny… ary tsy ny teniny fotsiny ihany, fa fahafahana iray hitaky izay azy araka ny rariny.
  • Tokony hanamafy ny feon'ireo voarahona.
  • Tokony ho toerana tsara aro ho an'ireo karazan'olona rehetra, na hatraiza na hatraiza fahasamihafana eo aminy.
  • Tena tokony ahitàna dihy tsy mikiraro sy ampongabe Kôngôley mitandahatra bebe kokoa aorian'ny fihaonan-dehibe tsiriray.
  • … Ary rehefa misy zavatra tsy mety tsara, tokony afaka manamboatra izany i Jer !

Te hisaotra ny rehetra izay nahatanteraka ity Fihaonana ity aho, ary ho an'ireo mpikambana rehetra ao amin'ny GV nanatrika, mamelà ahy hiteny fa soa avokoa ianareo!

Mirary soa!

Endrika sasany ao amin'ny vondrompiarahamonin'ny GV  nandritra ny fihaonambe 2017 (fivoriana anatiny).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.