Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Nanaisotra Vetivety Ny Fanabeazana Ara-pananahana i Manila

(Fanamarihana: lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny Jolay 2006)

Nanapa-kevitra hanaisotra ny taranja fampianarana ara-pananahana ny manampahefana misahana ny fanabeazana ao Filipina rehefa nanohitra ny fampianarana ara-pananahana any an-tsekoly ny Fiangonana Katolika matanjaka.

Manana taham-pitomboan'ny mponina ambony indrindra i Filipina. Manasongadina ihany koa ny fikarohana nataon'ny oniversite fa lasa mavitrika amin'ny firaisana ara-nofo ny zatovo. Firenena tokana maro an'isa Katolika any Azia ihany koa i Filipina.

Na dia eo aza ny fanoheran'ny ambaratongam-piangonana, te hanohy hizara ny taranja fampianarana ara-pananahana eny amin'ny sekolim-panjakana amin'ity taona ity ny manampahefana misahana ny fanabeazana. Manaiky hanaisotra ny taranja mandritra ny fotoana fohy izy ireo mba hakana ny hevitry ny olona maromaro (tahaka ireo mpitondra fivavahana), momba ny fomba hampianarana ny lohahevitra saro-pady amin'ny mpianatra..

Mandritra izany, niaro ny fampianarana momba ny fahasalamana ara-pananahana any an-tsekoly ny Senatera Pia Cayetano ary nilaza fa mampiroborobo ny “fahasoavana ankapobeny sy ny fahasalaman'ny vahoaka” izany.

Meanwhile, Senator Pia Cayetano defended the teaching of reproductive health in schools saying this promotes the “general well-being and health of the people.”

Nanoritsoritra ny fanoheran'ny Fiangonana ny fanabeazana ara-pananahana ho “karazana fisainana vanim-potoana antenantenany izay mampiroborobo ny tsy fahalalana fa tsy ny fahazavana” i Buwahyahman.

Nanoro izao manaraka izao tao amin'ny bilaoginy, Viewpoints ny eveka Oscar Cruz:

“Sex education especially with its human dimension and moral consideration are better left to the parents of the students—the father and the mother themselves giving formational sex education to their boy and girl children respectively.”

“Tsara kokoa avela ho an'ny ray aman-drenin'ireo mpianatra ny fampianarana ara-pananahana indrindra indrindra amin'ny maha-olombelona sy ny fiheverana ara-maoraly—ny ray sy ny reniny mihitsy no manome fanabeazana ara-pananahana ho an'ny zanany lahy sy ny zanany vavy tsirairay.”

Lohahevitra iray ao amin'ny sehatra fifanakalozan-kevitra ao amin'ny tranonkala ofisialin'ny governemanta ny fampianarana ara-pananahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.