(Marihana fa efa tamin'ny volana Jiona 2010 no nivoaka ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy)
OIona an-tapitrisany manerantany no miraikitra eo amin'ny fahitalavitra, mijery ny lanonana fanokafana ny Fiadiana ny Amboara Erantany avy ao Afrika Atsimo- ary tsy mivaona amin'izany ny zava-misy ao amin'ny tontolo Arabo.
Avy any Arabia Saodita, Khaled Alabdulrahman mamintina ny fihetseham-po manerana ny faritra:
For the next few hours the streets of Riyadh will be quiet. Thanks South Africa 😉
Afaka ora vitsy, hangina ny arabe ao Riyadh. Misaotra an'i Afrika Atsimo;)
Avy ao Bahrain, Nivos nifaly hoe:
World Cup opening Ceremony….the world under one roof…..WOW!!!
Lanonana Fanokafana Mondialy..izao tontolo izao ao ambany tafon-trano iray….WOW!
Mbola ao Bahrain, Redbelt nanampy hoe:
I'm so happy! World Cup is finally starting! Watching the opening ceremony with wife.
Tena faly aho! manomboka ihany ny Mondialy! Mijery ny fanokafana ny lanonana miaraka amin'ny vady.
Saingy ho an'ny sasany, dia asa tahaka ny mahazatra ihany. Riyadh Abdul Aziz, avy ao Oman, nisioka hoe:
Off to MOLA to do some stuff related to our workshop this week. Not watching anything #worldcup
Tsy miasa dia mankao MOLA mba hanao zavatra mikasika ny atrikasa ataonay amin'ity herinandro ity. Tsy mijery na inona na inona #mondialy
Nahazo fanehoan-kevitra marobe ny lanonana fanokafana, indrindra raha namotsotra an'i Didi ilay mpioko Alzeriana Cheb Khaled, izay nitondra fahatsiarovana mahafinaritra tamin'ny sioka.
Faly ilay Ejypsiana Alaa Abd El Fattah:
cool sheb khaled is rocking #WC2010
mahafinaritra ny nataon'i sheb khaled #WC2010
Saodiana Taibah nahatsiaro ny taloha:
Didi!!! LOL that song took me 17 years back…. #Worldcup #WC2010
Didi!!! TPT mitondra ahy tany amin'ny 17 taona lasa izany hira izany…. #Mondialy #WC2010
Ary voahitsy kosa i Butheina, avy ao Emirà Arabo Mitambatra
Never thought “didi” could be brought back, but cheb Khaled just proved me wrong in #southafrica #worldcup
Tsy nieritreritra mihitsy an'i “didi” ho tafaverina, saingy vao avy nanaporofo ahy i cheb Khaled fa diso aho tao #AfrikaAtsimo #mondialyorldcup
Ary nisy kosa ireo fahadisoam-panantenana.
Taibah nanontany hoe:
Wow is it just me or is the stadium isn't at full capacity? #disappointed #WC2010 #Worldcup
Wow izaho ihany ve sa ny kianja no tsy ao amin'ny fahafenoany?
Tsy nanam-paharetana kosa i Abdurahman Warsame monina ao Doha:
beautiful music including Algerian singer Khalid, Kwaito (SA rap) singers … wow but let the games begin #wc2010
mozika mahafinaritra, anisan'izany ilay mpihira Alzeriana Khalid, ireo mpihira rap Kwaito (SA rap) … wow saingy avelao amin'izay hanomboka ny lalao #wc2010
Tsy gaga ilay Ejypsiana Ahmed Shokeir:
إنتهاء الإحتفال بإفتتاح كأس العالم … إفتتاح متواضع وبدون إبهار ولكنه مقبول
Na dia teo aza izany, Eyad, avy ao Bahrain, tsy faly fa tapitra izany:
Is that it! Really? I can haz disappointment
Izay fotsiny! Marina ve? Mety ho diso fanantenana aho
Maro ireo mpijery nitsikera ny Al Jazeera Fanatanjahantena, izay mandefa ny lalao.
Taibah nanoratra hoe:
Dear Al-Jazeera Sports commentator please shut up, we don't need your input. We understand whats going on #WC2010 #Worldcup @ajenglish_sport
Ry namana mpaneho hevitra ao amin'ny Al-Jazeera Sport miagavy akombony ny vava, tsy mila ny hevitrareo izahay. Fantatray izay mandeha ao amin'ny #WC2010 #Worldcup @ajenglish_sport
Hoy izy nanohy:
I am just glad that Aljazeera Sport commentator didn't translate the lyrics too!
Faly fotsiny aho fa tsy nandika ny tononkira ihany koa ny mpitantaran'ny Aljazeera Sport!
Butheina nanampy hoe:
Why do arab commentators insist on maintaining that monotone from when tv was first invented as a one size fits all for every event #sa
Nahoana ireo Arabo mpitantara no manizingizina izany zava-tsy miova mihitsy izany hatramin'ny namoronana voalohany ny fahitalavitra ho mety amin'ny hetsika rehetra #sa
Ho an'ny sasany, tsy tokony hisaraka amin'ny fanatanjahantena ny politika
Palestiniana-Jordaniana Mohammed Yousef, monina ao Arabia Saodita manantena fa:
One day, Apartheid will end in Palestine and will show to the world how we can welcome them to #worldcup #pal
Indray andro any, hifarana ny Apartheid (fanavakavaham-bolokoditra) ao Palestina ary hampiseho amin'izao tontolo izao fa afaka mandray tsara azy ireo amin'ny #mondialy izahay
Buthenia nanampy hoe:
Dear @aljazeera network: pls reinvest th truckloads of money ull make frm ad revenue frm #worldcup into a motion picture abt #flotilla
Ry namana tambajotra @aljazeera: miangavy e! ny vola amin'ny kamiao maro azonareo avy amin'ny dokambarotra mba ampiasao hanaovana sary ahetsika momba ireo #andiantsambo madinika [flotilla:vonjy aina palestina]
Ejypsiana Mo-ha-med mamela antsika amin'ny hevitra farany:
Let's be honest. Did we really think we could organize the #WorldCup ? Can we compete with that?
Aoka ho mahatoky. Nieritreritra tokoa ve isika fa afaka mikarakara #Mondialy? Afaka mifaninana amin'izany ve isika?