Atrikasa Renirano Lehibe Ho An'ny Mpanakanto Iraisampirenena

(Marihina fa tamin'ny 10 Martsa 2006 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)
Big River International Artists' Workshop 2006

Big River International Artists' Workshop 2006

Big River International Artists' Workshop 2006
Sary avy amin'ny caribbeanfreephoto

Nanala akanjo tao anaty renirano Aripo ilay mpanakanto Ingrid Mwangi (Kenya / Alemaina), izay anisan'ny fampisehoana nalainy fakantsary nandritra ny fanatontosana ny Atrikasa Renirano Lehibe Ho An'ny Mpanakanto Iraisampirenena. Tao Aripo, Trinite no nanatontosana ny atrikasa.  Nasaina hamorona sanganasa ao anatin'ny lohahevitra hoe “Access Denied” (Tsy azo idirana) ireo mpandray anjara.

Nifarana ny Alahady 12 Martsa  ny fisintonana naharitra 11 andro miaraka amin'ny fampisehoana ny sanganasa ao amin'ny Teatira Little Carib ao Port of Spain, Trinite. Ireo firenena nanana mpanakanto nisolontena tamin'ity taona ity dia avy any Trinite sy Tobago, Bahamas, ny Nosy Virijiny Amerikana, Brezila, Alemaina, Kenya, Shina ary India. Tetikasan'ny Caribbean Contemporary Arts (CCA) sy ny Triangle Arts Trust  ny atrikasa Big River (Renirano Lehibe).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.