Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

05 Jolay 2017

Tantara tamin'ny 05 Jolay 2017

Kolombia: Manana Fantsona YouTube Ny Polisy Nasionaly

Manana paikady vaovao hizarana ny fomba fiasa ao anatin'ny asany ny Mpitandro ny Filaminana Kolombiana: namoaka lahatsary iray tao amin'ny ny fantsona YouTube izy ireo izay mampiseho ny teknolojia vaovao ampiasain'izy ireo sy ny olom-pirenena misaotra azy ireo noho ny fanampiany ary ny sarin'izy ireo eo am-panatontosana ny asany .

Repoblika Demaokratikan'i Congo: Voavonjy  Tamin'ny Fanondranana Antsokosoko Tsy Nahomby Ny Zanaka Rajako

Tamin'ny Alahady, 26 Aprily 2009, nisambotra olona iray ahiana ho mpanondrana rajako antsokosoko ny Mpiambina ny Valan-javaboary ICCN , tantanan'ny Lehiben'ny Valan-javaboary Virunga izay Tale Jeneralin'ny WildlifeDirect teo aloha, Emmanuel de Merode ary nanavotra zanaka rajako avy any amin'ny lemaka atsinanana .

Zimbaboe: Endriky ny Krizy Sy Antso Fanampiana

Namoaka ny Time 2 Act (Fotoana Izao Hiasàna), lahatsary antserasera hanehoan'ny vahoaka Zimbaboeana ireo fomba isan-karazany hanimban'ny krizy ao amin'ny firenena ny vahoaka sy ny fari-piainan'ireo tafavoaka velona ny fikambanana CIVICUS

Espaina: Niforona Tamin'ny Alalan'ny Fandraisana Anjara An-tserasera Ny Wikimovie

Any Espaina, nanapa-kevitra ny hanomboka ny fandraisana anjara an-tserasera ny orinasan'ny zava-pisotro Mahou ka nitodika tany amin'ny aterineto mba hamolavola sy hamokatra sarimihetsika fohy iray izay nahitana fanapahan-kevitry ny vondrom-piarahamonina mpandray anjara hanatontosa, hilalao ary hamokatra tao amin'ny tranonkala WikiPeli.