Filazana ny Vovonana Global Voices Taona 2017: Any Colombo, Sri Lanka Isika amin'ny 2-3 Desambra ho avy izao!

Tsena mihevaheva, Colombo, Sri Lanka. SARIPIKA: Amila Tennakoon (CC BY 2.0)

Mientanentana izahay manambaba fa ny andiany taona 2017 amin'ny Vovonana Global Voices dia hotontosaina amin'ny 2-3  Desambra ao Colombo, Sri Lanka!

Mbola hitondra antsika fanindroany any Azia Atsimo ny Vovonana andiany fahafito, izay hivoriantsika ampahibemaso mandritra ny roa andro sy hanaovana atrikasa iarahana amin'ny blaogera, mpikatroka, mpahay teknolojia, mpanao gazety, mpandrafitra politika, manampahaizana momba ny fampandrosoana ary ireo hafa avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ka iresahana ny fivoaran'ny toerana misy ny olom-pirenena mpampita vaovao, mpanandra-teny amin'ny aterineto misokatra, ny kolontsaina aterineto misokatra, ary ny fikatrohana ifotony avy amin'ny fijery Tatsimo amin'ny Ankapobeny. Tahaka ireo lanonana GV rehetra, dia fotoana fanararaotra hianarana sy ifampizarana amin'ny vondrom-piarahamonina manerantany mavitrika isankarazany ny Vovonana taona 2017.

Zakain'ny Groundviews, miaraka amin'ny fanohanan'ny Orina Mpanasoa Mozilla, ny Orina Mpanasoa MacArthur ary ny hafa, dia hamakafana ny fanamby atrehin'ny aterineto misokatra, itadiavana fanontaniana amin'ny mari-pandrafetana misokatra ary ny fepetra hahazoana fahalalaham-pitenenana azo antoka ao anatin'ny tontolo iakaran'ny fandrahonana azy roa ireo ny fihaonan'ny taona 2017 hataontsika. Hotrandrahintsika ny hevitra lehibe eo amin'ny mari-pandrafetana ny aterineto sy ny resaka atao amin'izany mety hitarika ny fiarahamonina any amintsika tsirairay avy any hahay handray, hieritreritra sy hanao fikarohana lalina.

Aza miala hahitanao ny fivoahan'ny tranonkalan'ny Vovonana sy ny antsipirihan'ny toeram-pihaonana, ny fisoratana anarana, ny lahavolana ary ny hafa—ary tadidio ny daty!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.