Rahonan'ny Filoha Maduro tao amin'ny Twitter Ilay Mpanao Gazety Venezoeliana, Avy Eo Nambara Fa Tsy Manan-kery Ny Pasipaorony

César Miguel Rondón ao amin'ny fandaharany amin'ny onjam-peo “Circuito Éxitos”. Pikantsary tamin'ny lahatsary nozarain'ny onjam-peo.

Nosakanana tsy hiala ao Venezoelà ilay mpanoratra sady mpanao gazety César Miguel Rondón, rehefa nalain'ny manampahefana ny pasipaorony sy ny an'ny fianakaviany tao amin'ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena, Simón Bolívar ao Maiquetía ary nolazaina fa tsy manan-kery.

Nilaza ny manampahefana Venezoeliana fa voalaza fa “nangalarina” tao amin'ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny Fitantanan-draharaha momba ny Famantarana olona, Ny Fifindramonina sy ny Vahiny. Araka ny filazan'ny tranonkalam-baovao Runrun.es, tsy vao sambany ny governemanta ao Venezoelà no nampiasa ity tetikady ity ho “fomba handraràna ny fialàna amin'ny firenena”.

Andro mialoha ny nandraràna an'i Rondón tsy hivoaka ny firenena, Nandrahona hampiditra am-ponja an'i Rondòn ny filoha Nicolás Maduro tao amin'ny Twitter, tamin'ny alalan'ny fanehoan-keviny momba ny escrachetetikady amin'ny hetsi-panoherana notontosain'ny Venezoeliana vao haingana izay miatrika sy manala-baraka ampahibemaso ny manampahefam-panjakana sy ny zanak'izy ireo monina any ivelan'i Venezoelà ny mpanao fihetsiketsehana. Matetika voamariky ny vilany mitabataba, izay tetikady hafa amin'ny fihetsiketsehana antsoina hoe cacerolazo ny fifandonana.

Ny sioka avy amin'i Rondón izay niteraka fandrahonana avy amin'ny Filoha Maduro dia milaza hoe: “Ahoana izany hoe mandrora amin'izao tontolo izao? Mba tsy hanana toerana hiafenana, fiaramanidina hisidinana, mba tsy handry fahalemana mandrakizay?”

Ny lahatsary manaraka dia mampiseho an'i Maripili Hernández, minisitra Venezoeliana teo aloha , izay naterin'ny polisy tamin'ny toerana azo antoka rehefa avy nifanojo tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny toeram-pisakafoanana iray ao Madrid:

Eo ambany fitondran'i Maduro, miady amin'ny krizy ara-toekarena lehibe, amin'ny tsy fahampian-tsakafo sy fanafody, ny taha ambony indrindra amin'ny heloka feno herisetra sy ny fahantrana, ary ny fahapahan'ny herinaratra matetika nandritra ny telo taona i Venezoelà. Nanafoana fihetsiketsehana, nanivana gazety sy nampihena ny fahalalahana miteny nandritra izany fotoana izany ny governemantan'i Maduro. Miatrika famonjàna ireo mpanohitra, mpitsikera sy mpanao gazety izay mitatitra zavatra ratsy momba ny governemanta. Ny sasany aza nanao sesintany ny tenany mihitsy. Ny hafa nangina fotsiny.

Niova ho “endrika voaaro” ny tao amin'ny Twitter an'i Rondón, saingy ny sioka niteraka ny fanehoankevitry ny filoha dia novokarina indray tamin'ny alalan'ny pikantsary miaraka amin'ny pikantsary misy ny siokany miala tsiny, ary namboarin'ireo mpanohana ny governemanta izay niampanga an'i Rondón ho “fasista” sy mpihatsaravelatsihy :

Siokan'i Larissa Costas: Fijerena ny tao amin'ny Twitter an'i César Miguel Rondón taorian'ny diany fasista tsy tontosa.

Taty aoriana, tao amin'ny fahitalavi-pirenena, nilaza ny filoha fa “fitarihana herisetra sy fankahalana” ny fanehoan-kevitr'i Rondòn:

Lo que César Miguel Rondón así como Tulio Hernández han promovido a través de sus cuentas de Twitter es para que estuvieran presos […] Ya deberían estar acusados judicialmente, porque están promoviendo una nueva Ruanda [en referencia al genocidio], de persecución, de matanza, de odio… y eso está penado en las leyes de Venezuela.

Ny zavatra nankalazain'i César Miguel Rondón sy i Tulio Hernández tao amin'ny Twitter dia [antony ampy] hampidirana azy ireo am-ponja. Tokony efa voampangan'ny lalàna izy ireo. Mampiroborobo ny Rwanda vaovao [manondro ny fandripahana] amin'ny fanenjehana, vono olona sy fankahalàna izy ireo … Ary sazian'ny lalàna Venezoeliana izany.

Namaly tao amin'ny Twitter i Rondón, nilaza fa tsy nikasa mihitsy hampiroborobo tenim-pankahalana ary nanipika fa nandritra ny asany, tsy nampiasaina hampiroboroboana fankahalana izany mihitsy ny teniny. Nitatitra ny valinteniny ireo fampahalalam-baovao antserasera, izay nialan'i Rondón tsiny raha noraisina tamim-pahadisoana ny teniny, ary nilaza izy fa miampanga ny fihetsiketsehana manala baraka olom-panjakana. Araka ny notsongain'i Runrun.es:

El periodista le replicó vía Twitter: “Tengo una trayectoria pública de 4 décadas. Jamás he pronunciado una palabra alentando odio o violencia entre venezolanos. Como demócrata he respetado las posiciones de los demás, aunque no las comparta. Con la palabra, jamás con la violencia”.

Namaly tao amin'ny Twitter ilay mpanao gazety: manana mpanaraka aho, efa-polo taona niasana aho. Tsy mbola nilaza teny iray mandrisika fankahalana na herisetra eo amin'ireo Venezoeliana aho. Amin'ny maha-demaokraty, nanaja ny toerana ijoroan'ny tsirairay aho, na dia tsy mitovy hevitra amin'izy ireo aza. Amin'ny teny, fa tsy amin'ny herisetra na oviana na oviana.

Ankehitriny, raha nanoratra ity tantara ity, nambara fa “tsy manan-kery” tampoka ny pasipaoron'ilay mpitarika mpanohitra sady kandidà filoham-pirenena teo aloha, Henrique Capriles Radonski, raha izy saika handeha handray fitenenana ao amin'ny Firenena Mikambana mikasika ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Venezoela.

Voatazona aho ary tsy neken'izy ireo ny pasipaoroko tao amin'ny seranam-piaramanidina, izay mbola manan-kery hatramin'ny taona 2020

Vakio ihany koa ny fitantarana ataonay manokana Inona no mitranga ao Venezoela?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.